airtel

Sport

29-févr-2024

Baolina kitra

Lasa any amin'ny Disciples i Drogba

Sample post image

Nahazo mpabagika tsara indray ny Disciples FC.

29-févr-2024

Re mantsy izao fa efa nifindra any i Razanakoto Tsilavina fantatra amin'ny solon'anarana hoe Drogba noho ny fahaizany mamono baolina.Efa voantso Barea aza ny tovolahy talohan'ny nandraisana anjara tany amin'ny CHAN tany Alzeria saingy noesorina tao izy taorianan'ny nifamaliany tamin'ny mpanazatra Roro Rakotondrabe. Nitondra namana teny Carion izy tamin'izany izay tsy azo atao dia izay no niteraka ny tsy fifanarahana ary nahatonga ny tontolon'ny baolina kitra nisokajy azy ho toy ny maditra. Izao anefa dia tsy hoe nantsoina izy fa tonga ho azy tao ary ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe voafehin'ny mpanazatra roalahy Mamisoa Razafindrakoto sy Rija Juvence Rakotomandimby ve i Drogba ? Asakasany ihany io satria tena manana talenta izy fa noho io toetrany io dia tsy ahita klioba hanaiky ny ditrany izany. Raha ny fampitahana anefa dia tena mbola mahay i Drogba noho ireo efa lasa any ivelany toa an'i Rakool, Tsiry Kely ary Arnaud. Miankina aminy izany ny ho aviny ary raha miverina mamiratra izy ao amin'ny Disciples dia hivoha ho azy koa ny varavaran'ny Barea CHAN. Ary tsy hijanona hatreo fa farafaharatsiny La Réunion dia ho lasa patiraon'omby toa ireo nialoha lalana. Voavy Paulin, Roland Kely, Baby, Frédéric, Said,.Urbain sy ny maro izao efa tena afaka.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Tontosa omaly ny antsapaka mikasika ny fizaram-bondrona amin’ny Fiadiana ny CHAN 2024.

Card image cap
15-janv-2025

Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny CAF (Confederation Africaine de Football) omaly 14 janoary 2025,

Card image cap