airtel

Sport

08-mai-2024

Sport

Baolina kitra Lasa resaka PFL sisa

Sample post image

Tsy misy maha Amboaran'i Madagasikara intsony satria mbola nomena tombony ireo ekipa amin'ny Pure Play

08-mai-2024

Football League tamin'ny antsapaka hany lasa izy ireo sisa no mifanena amin'ny ampahaefa-dalana. Izay Amboara izany anefa dia fomba iray ho an'ireo ekipa heverina ho kely na mivoaka fokontany mihintsy aza no mihaona amin'ny ekipa milalao amin'ny diviziona ambony. Tsy izay ny eto amintsika fa na misy antsapaka aza dia hatao antsokosoko ka aiza moa ny olona tsy hieritreritra hoe mety Ajesaia indray izao no midona amin'ny Elgeco Plus satria heverina fa ity mpilalaon'Antanikatsaka no gana malemy ao anatin'ireo valo tafita amin'ny ampahaefa-dalana. Mbola misy ireo lalao roa tsy vita aloha hatreto saingy valiana fotsiny izay hivoaka mpandresy. Ho sarotra amin'ny ASED mantsy izany handresy ny Elgeco Plus ny 12 may ho avy izao. Azy ny kianja, azy ny mpijery ary mety mbola hotongilana any amin'ny Elgeco Plus koa aza ny mpitsara. Ny mety hiady amin'io daty io ihany dia ny fifandonana eo amin'ny Fosa Juniors sy ASA izay vao avy nandresy ny FC Landrique 4 noho 0. Ny enina ambiny dia ahitana ny Uscafoot izay nandresy ny Mama tamin'ny isa 2 noho 0. 2 noho 1 kosa no nandresen'ny Inate FC Rouge ny FC Ilakaka. Ny Ajesaia, Disciples aty CFFA no mameno ny isa ary dia miandry ny antsapaka ampahibemaso ny mpitia baolina kitra rehetra mba hialana aminlny kitranoatrano. Ny ahiahy rahateo tsy hihavanana.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Hotanterahina ny Zoma 14 Jona ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy

Card image cap
17-mai-2024

Tena tsy nigika ny Ankoay omaly nanoloana an'i Lituanie tany Debrecen.

Card image cap