airtel

Sport

02-févr-2024

Baolina kitra

Lasan'i Cameroun i Hervé Renard

Sample post image

Tsy misy tsy vitan'ny vola raha resaka baolina kitra. Raha nolavin'ny Federasiona

02-févr-2024

Frantsay ny fangatahan'i Côte d'Ivoire ny mpanazatra Hervé Renard dia re izao fa nanaiky hitondra an'i Cameroun mandritry ny roa taona izy. Efa mpanazatra ny ekipa frantsay vehivavy anefa i Hervé Renard ary tsy afaka miteny hoe ratsy karama satria raha azony teo ny tompondaka eran-tany dia mety 600 000 euros ny tambiny ho azony. Raha nitazona ny ekipan'i Maroc izy teo aloha teo dia nahatratra 60 000 euros isam-bolana ny karamany. Eritrereto ary ny omen'i Samuel Eto'o, filohan'ny federasiona any Cameroun, an'i Hervé Renard matoa ny Frantsay aza nialany. Efa izy no nahatonga an'i Zambia ho tompondakan'i Afrika tamin'ny 2012 ary mbola izy koa no nanazatra ny Côte d'Ivoire tamin'ny 2015 nahazoany ny amboara. Efa tena zatra aty Afrika ny lehilahy ary rehefa hiantohany ny fivezivezeny mitady mpilalao sy mandresy lahatra dia mahita vokatra foana izy. Oviana izany ny FMF no hanana vola be hanaramana mpanazatra toa an'i Hervé Renard satria ny 20 tapitrisa ariary isam- bolana noraisin'i Nicolas Dupuis aza nampiteny ny moana. Mbola tsy misy resaka moa ny an'i Roro Rakotondrabe amin'izao satria mbola tsy misy fifanarahana matotra nefa mampanontany tena ihany hoe mba mandray 2000 euros isam-bolana ve izy ?
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap