airtel

Sport

03-mai-2021

Sport

Baolina kitra Malagasy Fa iza marina moa i Eric Rabesandratana ?

Sample post image

Nanaiky ny fanesorana azy ny mpanazatra ny Barea Atoa Nicolas Dupuis, ary efa nanaiky andraikiny vaovao ihany koa

03-mai-2021

 ny mpisolo toerana azy dia i eric Rabesandratana . Efa kapitenin’ny klioba matanjaka indrindra amin’izao fotoana izao ao Frantsa dia ny Paris Saint Germain i Eric Rabesandratana. Vitsy tamin’ireo Malagasy niatrika sehatra matihanina goavana teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra iraisam-pirenena tamin’ny fotoan’androny ihany koa ity mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena malagasy ity. Teraka ny 18 septembra1972, izany hoe 49 taona, mirefy 1,86 metatra i « Rabé » . Io moa no anarana tiany niantsoana azy teo amin’ny tontolon’ny kitra iraisam-pirenena ho fanandratany ny maha Malagasy azy. Ny toeran’ny afovoan’ny kianja sy ny maha vodilaharana afovoany no nifandimbiasany nosahanina fony izy mpilalao. Rabé sy Wagneau Eloi no nanangana ny US Champions Soccer Academy, Miami, Etazonia ny taona 2014. Efa nitana ny toerana maha mpanazatra mpanampy ny FC Miami City Champions izy. Miatrika ny tompondaka Amerikanina ankehitriny na Premier Development League moa ny klioban'i Miami. Mbola mpikamban'ny filankevim-pitantanana ity akademia lehibe voalohany eran'i Amerika ity i Eric Rabesandratana ary mpikamban’ny filankevitra teknikan’ny PSG. Ilay mpanazatra ny ekipam-pirenena frantsay ny taona 1998, Aimé Jacquet, ka nahazoan’izy ireo ny amboara eran-tany 1998 no niantso an’i Rabe voalohany tao amin'ny ekipa matihanina divizionina voalohany tao amin’ny AS Nancy Lorraine. Mbola nitana ny toerana teo afovoan’ny kianja izy tamin'izany. efa mpamono baolina betsaka indrindra nandritry ny taom-pilalaovana frantsay 1995-1996 izy na dia “milieu defensif” aza no anjara toerany. Lalao ara-pirahalahiana nifanandrinana tamin’ny ekipa divizionina voalohany frantsay dia ny Toulouse FC kosa no nilalaovany tamin'ny ekipam-pirenena malagasy na Scorpion de Madagascar ny taona 2007. Mety mbola hanazatra ireo niara-nilalao taminy tamin’izany fotoana izany, noho izany, I Rabe, raha toa ka mbola hiantso azy mirahalahy ireto handrafitra ny ekipam-pirenena, amin’izao nanendrena azy hisolo ny mpanazatra teo aloha, Nicolas Dupuis izao.

J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap