airtel

Sport

20-oct-2021

Sport

Baolina kitra Malagasy Mitohy ny endrika famotehana samihafa

Sample post image

Nanomboka tany amin’ny tsy fahatomombanan’ny fanomanan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea ny fiadiana ny tapakilan’ny amboara eran-tany atao any Qatar amin’ny taona 2022 ny raharaha.

20-oct-2021

Tao anatiny tao ny disadisa tsy mety milamina hatramin’izao eo anivon’ireo mpikamban’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra izay efa tsy miafina intsony ny fisian’ny ankolafy miaraka amin’ny filohan’ny FMF, Raoul Arizaka Rabekoto, sy ny ankolafy miaraka amin’ny filohan’ny komitin’ny fanapahan-kevitra, Alfred Randriamanampisoa, izay tonga hatraty amin’ny fifanonganana mihitsy ankehitriny moa. Niseho indray iny omaly ny endrika tsy mitsinjo lavitra nataon’ny mpitantana ny klioba hany solontenan’ny Malagasy any amin’ny fifaninanana iraisampirenena afrikanina. Azo heverina ny mety ho famafan'ny kaonfederasionina afrikanina ity ekipa Malagasy nosakanana tsy handray fiaramanidina hanohy ny fifaninanan’ny amboaran’ny CAF ity ka raha vao miseho ny anaran’izany CFFA Andoharanofotsy izany amin'ny manaraka dia tsy hahazo handray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina intsony. Efa nisy izany Akon'ny Soa Firegina izany, ohatra, nanao fialana an-daharana na “forfait” tahaka izao ihany koa tany amin'ny taona 1990 tany ary dia izay tokoa no nitranga. Amin’izao fotoana izao no mbola misy mpitantana klioba eto Madagasikara, izay sady mbola mpitondra fanjakana, ben'ny tanàna, kanefa dia mahagaga fa tsy mahatsinjo lavitra tahaka izao. Raha ny lazan'ny Barea ho nanao ampahefa-dalana na “quart de finaliste” tamin’ny CAN 2019 angamba dia heverina ho fanalam-baraka ny kitra malagasy izao. Tsy mety lavitra noho izao aza ve ny nataon'ny AS Adema izay tonga dia nisafidy ny tsy handray anjara mihitsy toy izay nitsoaka an-daharana tahaka ity? Hita ho mitohy hatrany, araka izany, ny endrika famotehana samihafa ny baolina kitra Malagasy.
(sary fanehoana)
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap