airtel

Sport

01-sept-2025

Baolina kitra malagasy sy ny ekipam-pirenena

Azo atao tanjona manaraka ny ho tompondaka!

Sample post image

Efa tody tany amin'ny manasa-dalan'ny Cosafa cup na ny fiadiana

01-sept-2025

ny amboaran'ireo firenena aty atsimon'i Afrika ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra na ny Barean'i Madagasikara ny taona 2008, niaraka tamin'ny mpanazatra Frank Rajaonarisamba. Tafakatra tany amin'ny ampahefa-dalan'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika na CAN 2019 avy eo niaraka tamin'ny mpanazatra, Nicolas Dupuis. Nahazo ny medaly alimo tamin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika na Chan ny taona 2023, niaraka tamin'ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Coach Roro. Niverina ho tompondakan'ny lalaon'ny nosy niaraka tamin'ity farany ihany koa tamin'io taona io ihany ary iny ny sabotsy teo iny moa isika dia tompondaka lefitry ny Chan 2025. Azo lazaina ho nisy fiakarana hatrany ny lentan'ny atao hoe ekipam-pirenena malagasy, araka izany, raha ny tontolon'ny fifaninanana iraisampirenena no asian-teny. Azo atao ihany koa hoe an-dalam-pahasitranana ity taranja ity na dia mbola ahitana lesoka aza ny fifaninanam-pirenena eto an-toerana. Ny coach Roro ihany aza moa no nilaza fa mbola avo lenta kokoa ny fifaninanana ho an'ny divizionina faha 4 ao Eoropa noho ny fifaninanam-pirenena ho an'ny divizionina voalohany eto an-toerana. Hita kosa nefa ny sabotsy teo fa afaka manome ny tsara indrindra avy amin'izy ireo ny mpilalao malagasy rehefa anatina fifaninanana iraisampirenena. Nahatongavana tany amin'ny famaranana iny ny Chan fa heverina ho azo ahatongavana amin'izany koa ny CAN manaraka andraisantsika anjara io, izay ho fandraisana anjara fanindroany toy ny Chan ihany koa, araka izany. Azo atao tanjona manaraka ny ho tompondaka!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique