airtel

Sport

16-oct-2023

Baolina kitra Malagasy

Voafidy ho filohan’ny FMF i Alfred Andriamanampisoa

Sample post image

Tonga amin'ny tanjona niriany ihany i Alfred Andriamanampisoa izay voafidy hitantana ny federasiona malagasin’ ny

16-oct-2023

baolina kitra na FMF ny sabotsy teo tetsy amin'ny Novotel Ivandry. Vokatra efa nampoizina ihany satria izy hatreto no kandida nitety ireo ligy rehetra ary dia iny ny valiny. Filohan'ny ligy 14 no nandany azy raha 4 no vato azon'i Neypatraiky. Tsy nahazo vato kosa ny filoha Victorien Andrianony. Ary dia vakiana fotsiny fa mbola tafiditra tao anaty paikady an'i Alfred Andriamanampisoa izay tena nanenjika ity olona ity sy Arizaka Rabekoto Raoul izay tena tsy zakany. Vitany izany aloha ny valinady saingy mampametraka fanontaniana hoe ho zakany ve ny sehatra iraisam-pirenena raha tena sahirana izy miteny vahiny. Safidy moa ny an'ireo ligy saingy taloha anie efa nisy resaka hoe tokony tsy mahazo mitantana ny tompon'ny klioba satria dia izy no filoha mpanorina ary na dia niteny aza izy fa efa nomeny olon-kafa ny fitantanana ny Elgeco Plus dia mbola hita eny an-kianja izy miantsoantso ny mpilalao eny fa ny mpitsara aza.
Ny nahafantarana ity filoha vaovao ity dia ny fanohanany an'i Nicolas Dupuis ka iza no mahita fa ho averina indray ity vazaha ity. Asa anefa aloha fa eo am-piandrasana isika mahita azy satria ny lalàna malagasy aza efa mamaritra hoe tsy azo atao ny milatsaka ho fidiana indroa. Izy anefa efa depiote lany tany Antsirabe 2. Ireto ireo mambra vaovao voafidy ny sabotsy teo. Olona roa ihany no teo aloha dia Erick Raveloarison sy Rosario Mario. Ireto kosa ireo valo hafa dia Rabevahiny Arleme, Ratovohery, Pontiac Theophan, Edouard Benjamin, Tsitoara Serge, Rakotoarisoa Jhonny, Ratsimanotry ary Tanteliniaina Angelin.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

10-juin-2025

Nikatona tanteraka tanteraka ny alahady teo ny “Ligue des Nations 2025”.

Card image cap
10-juin-2025

Azo lazaina ho tsaratsara ny vokatra ho an'ny Barea Cosafa izay

Card image cap
10-juin-2025

Ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy, izay eo ambany

Card image cap