airtel

Sport

26-janv-2024

Baolina kitra

Manomboka manao ny ataony sahady ny Elgeco Plus

Sample post image

Handeha ho aiza ny baolina kitra raha toy ny tamin'ny manasa-dalanan'ny

26-janv-2024

Amboaran'i Madagasikara ny alarobia teo no fomba fanao ? Vao tsy nanomboka fotsiny ny lalao dia fantatry ny maro fa tsy maintsy handresy ny Elgeco Plus. Tsy afenina hatramin'izay mantsy fa tena akaiky ny filohan'ny Elgeco sady filohan'ny FMF, Alfred Randriamanampisoa, ny mpitsara afovoany, Andofetra Rakotoarijaona. Tsy vitan'izay anefa fa mbola i Jeannot koa no notendrena ho mpitsara an-jorony Ity farany anefa dia avy any Antsirabe 2 izay faritra nahalany ho solombavambahoaka an'i Alfred Randriamanampisoa. Ka na ianao tsy hietitreri-dratsy aza ve tsy mahatsapa hoe mamofompofona "mission" izany. Inona tokoa hoy ianao fa matin'i Dahery ara-dalàna ny baolina (70) saingy nolavin'ny mpitsara tsotra izao fa nisy lasa aloha hono ny mpilalaon'ny Disciples. Raha nekena anefa io baolina maty io dia resy ny Elgeco Plus fa tsy tonga tany amin''ny fanalavam-potoana izany. Matin'i Zola moa ny baolina tokana ka nahatonga ny Elgeco Plus tafita any amin'ny famaranana. Tezitra anefa ny mpijery baolina manoloana ny zavatra nataon'ny mpitsara ka saika tsy nivoaka velona tao ireo mpitsara. Tonga nanelanelana ny FMF saingy hatezerana no nasetrin'ireo mpilalaon'ny Disciples azy ireo. Mba hisian'ny fitoniana moa dia nilaza mihintsy ny federasiona fa hatao Barea ny maro amin'ireo mpilalaon'ny Disciples. Fa angaha moa izany no tokony hitondrana ny raharaha fa tsy efa Barea ve ry Tantely, Andy ary Tendry. Ny tsy azo lavina dia efa nahitana ireo klioba lehibe ny mifanena amin'ny Disciples dia lasa manaonao foana ny mpitondra.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap