airtel

Sport

15-avril-2024

Baolina kitra

Mijinja ny peta-toko sy tsy fahaiza-mitantana ny Barea

Sample post image

Niovaka ny didy tsy azo hivalozana fa tsy mahazo handraisana lalao intsony ny Kianja Barea.

15-avril-2024

Izay no valin'ny fitsirihina notanterahan'ireo solontenan'ny CAF. Vokany, mila mampahafantatra alohan'ny 11 aprily ny kianja any ivelany niantefan'ny safidin'ny ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra mba handraisana ny lalao roa hihaona amin'ny Cœlacanthes sy Aigles Mali.Izay no vokany noho ny tsy fahaizana mitantana ny raharaha nefa anie dia mbola nisy fotoana tsara nanantanterana ireo zavatra notakiana. Voalohany amin'ireo fitakiana ny fanoloana ny bozaka izay maty hitsaka nandritry ny fety nokarakarain'ny fitondrana. Tsy misy mandeha koa ireo fanondrahana mihodikondina toy ny hita any amin'ireo kianja tena manaraka ny fenitra. Asa mety tsy matezatra angamba ny nataon'ireo Sinoa na ny fikarakarana azy no lasa goragora. Tsy natao ihany koa ireo fanampin'ny vavahady miditra sy mivoaka nefa iaraha-mahalala na dia nisy resaka intsony fa namono olona maro izany nandritry ny Lalaon'ny Nosy.Notakian'ny CAF koa ny hanaovana lalana ho an'ny kilemaina sy fidinana ho ao an-kianja hisorohana ny fifanisehana saingy tsy vita izany.Tsy nijanona eo anefa fa notakiany koa ny hampanaram-penitra ny efitra fidiovana ho an'ny mpilalao sy ny mpitsara. Notakiany koa ny tokony mba hananan'ny mpanao gazety toerana mitafo saingy mety tsy laharam-pahamehana ho an'ny filoha Alfred Randriamanampisoa izany satria ny azy toa vitavita eny an-tokontany rehetra eny ny firesahana amin'ireo mpikirakira vaovao akaiky azy. Ho sarotra noho izany ny rahataha satria raha any antanin'olona no hilalaovana dia mbola hitombo indray ny trosa. Ary mety hijanona ho 25 ihany ireo afaka entina. Raha handeha koa anefa satria efa betsaka no miteny hoe tsy aleo ve hajanona. Mety a !
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap