airtel

Sport

05-avril-2024

Baolina kitra

Nahazo diplaoma UEFA A i Bolida

Sample post image

Tratra ny tanjona ho an'i Lalaina Nomenjanahary fantatra amin'ny solon'anarana hoe Bolida

05-avril-2024

satria dia azony ny diplaoma UEFA A amin'ny mpanazatra. Efa afaka mitazona klioba any Frantsa izany ny tovolahy na tsy Ligue 1 sy Ligue 2 aza saingy fianarana ny fiainana ary tsy tokony hitsahatra habatsara izany izy. Efa nanana andraikitra tao amin'ny ekipa fiandry an'ny Paris FC rahateo izy ary farany teo aza dia efa tao amin'ny staff an'ny Barea nandritra ireo fihaonana roa nanoloana ny Burundi sy Rwanda. Mbola i Bolida koa no nandeha tany Villarreal niresaka tamin'i Francis Coquelin ka ho hita eo ny tohiny fa ny azo antoka raha ho avy izy amin'ny fihaonana amin'ny 3 jona amin'ny fifandonana amin'ny Comores dia inoana fa tsy ahita irika tsy araky ny vavabe efa mandeha ireto Dakoma ireto. Mila maka traikefa aloha Bolida raha amin'izao fa tsy avy hatrany dia hieritreritra handray ny Barea na dia fantatra aza fa tena mifankahazo am-po izy sy ny filoha Alfred Randriamanampisoa.Mila manaja ny rafitra aloha ary mbola mila maka traikefa satria tsy vitan'ny fahaizana ara-taratasy fotsiny izany fa mila mahay mifandray amin'ny mpilalao ihany koa na fihetsika na fiteny. Tsara aloha hatreto ny nahazoana io diplaoma UEFA A io fa mila tohizana ihany ny ezaka. Farany ve tsy hotovy amin'i Pep Guardiola na Ancelotti. Izay no irarariana.
Clément RABARY


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap