airtel

Sport

17-oct-2022

Sport

Baolina kitra Namoaka mpanazatra miisa 29 ny M'Hetsika MVola

Sample post image

Tontosa ny faran’ny herinandro teo tetsy amin'ny ANS Ampefiloha ny andiany faha 4 amin'ny famaranana ilay hetsika antsoina hoe M'Hetsika MVola.

17-oct-2022

Izy io moa, raha ny fanazavana, dia fanomezana fampiofanana ireo tanora manan-talenta amin'ireo faritra sahirana eto Antananarivo. Tamin'ity andiany ity dia tanora miisa 29 indray no navoaka sy notolorana ny sertifika maha mpanazatra ny taranja baolina kitra rehefa avy niofana nandritry 5 andro. Tao anatin'ny 2 taona nisian'ny hetsika dia tanora miisa 138 no efa nisitraka izao fiofanana matihanina izao. Ny janoary 2021 no nivoaka ny andiany voalohany nahitana tanora miisa 36 izay nofanina ho mpanazatra sy mpanentana ara-panatanjahantena. Mpanazatra taranja Rugby miisa 37 kosa no navoaka ny desambra 2021. Mpanazatra basketball miisa 30 ny may 2022 teo ary dia izao namoaka mpanazatra taranja baolina kitra izao indray. Fiaraha-miasa eo amin'ny orinasa MVola, CUA na kaominin'Antananarivo renivohitra, ANS na akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena ary ny fikambanambe Axian hatrany moa izy ity, hoy hatrany ny fanazavana.
J.Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap