Ankoatra ny fankasitrahana dia nahafaly azy ireo ny nahita ny fahavonon' ny filoha Andry Rajoelina hanampy. Amin'ny maro aza dia nanova zavatra be ny fanohanan'ny Filoha izay niantoka n' saran-dalana sy ny lalao fanomanana tany Tonizia miampy ireo kiraro fitondra amin'ny bozaka malama sy akanjo mafana satria tafidina hatrany amin'ny 4 degré C ny hatsiaka tany Constantine. Tena betsaka no nataon'ny Filoha, hoy i Jocelin Razafimamonjy ka tena hisaorana aza ny zava-bitany. Ho an'i Roro Rakotondrabe kosa Dia tena isan'ny angady nanana sy vy nahitana iny fandresena iny ny Filoha Rajoelina ary mino izy fa mbola ho tsara noho izay ny manaraka. Mandra-piandry ny CHAN manaraka anefa dia hanomanana ny Lalaon'ny Nosy i Roro sy ny ekipany. Asa izany tsy azo hamaivanina mba hamerenana indray ny medaly volamena votsitra tany Maorisy. Ny indro kely nanamaloka ny andro omaly dia ny nilazan'i Nicolas Dupuis fa lalao ho an'ireo tsy matihanina ny CHAN .Tena nalahelo ny ankamaroan'ireo mpilalao satria amin'izy ireo dia fanambaniana tsotra izao ity nataon'i Nicolas Dupuis ity. Raha vava tsy ambina nataon'i Noël le Graet tamin'i Zinedine Zidane no nahatonga ny fanesorana azy tsy hitondra ny federasiona frantsay dia tokony ho avela amin'izao ve ity vavan'i Nicolas Dupuis ity ? Dia ahoana hoy ireo mpanohana dimy alina mahery tonga nitsena ireto mahery fo "tsy matihanina" ireto .
Clément RABARY
Lasa indray izany izao! Miverina manazatra ny Barea A indray i Roro Rakotondrabe araky ny tapaka tamin'ny
Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,
Tena fitiavana ny baolina kitra ve sa fitadiavana tombotsoa manokana sy laza fa dia manao tsy omby aloha ireo