airtel

Sport

02-févr-2024

Baolina kitra

Niampy 3 ny malagasy lasa any Thailand

Sample post image

Niampy 3 indray ny isan’ireo mpilalao baolina kitra malagasy lasa nila ravinahitra any Thailand.

02-févr-2024

Eo ilay tovolahy, 19 taona, antsoina hoe Henintsoa Fenohasina Rajaonarivelo, izay avokavoky ny US Pro farany teo ary nitondra ity ekipany ity tany amin’ny famaranan’ny Grand Tournoi d’Antananarivo. Hiaradia aminy any Azia any ihany koa anefa ilay vodilaharana, Dimitry Andriamiaromampianina, 19 taona ihany koa, sy Dillane Fanomezantsoa, lohalaharany 19 taona. Ireto farany moa izay samy voataiza tao amin’ny Toulon Football Academy. Ny Traill FC atsy Thailand, araka izany, no handray an-tanana azy 3 miralahy ireto manomboka izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Miisa 6, araka izany, ankehitriny ireo mpilalao malagasy mila ravinahitra ao Thailand ao satria ankoatra azy 3 mirahalahy ireto dia isany any koa ilay lohalaharana malagasy, John Baggio Rakotonomenjanahary, milalao ao amin’ny Sukhothai FC. Eo ihany koa i Njiva Rakotoharimalala, lohalaharana, sy ny irakiraka afovoany, Ibrahim Samuel Amada, izay samy milalao ao amin’ny Ratchabiri FC, divizionina voalohany ao Thailand hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap