airtel

Sport

09-avril-2024

Baolina kitra PFL

Fampisehoana sisa ny andro farany

Sample post image

Andro iray farany sisa dia vita ny dingana voalohany aminlny PFL. Efa fantatra ireo ekipa

09-avril-2024

ho tafavoaka na ireo hiady gisitra ihany koa ahitana ireo ekipa roa hivarina diviziona faharoa.Felaka tehamaina mandrivorivo no azon'ny ligy Analamanga satria Elgeco Plus no hany tokana tafita any amn'iny playoffs.
Ny sisa dia lasa mitafy henatra sisa noho ny tsy fahampian'ny lalao tokony ho nokarakarain'ny ligy Analamanga. Vokany dia na ny CFFA ao antranon'ny filoha Tôta Henintsoa Rakotoarimanana aza dia tena tsy hita tabilao. Mbola voatazon'ny FC Rouge 1 noho 1 aza izy tamin'ny alahady teo amin'ny kianja Elgeco.Tena tsy misy mandeha ny solontena avy ao Analamanga satria na tafita aza ny Elgeco Plus dia mbola nijaly tany Andaboly fa voatazon'ny 3FB 1 noho 1. Ny hafa indray dia tena tsy nisy hita tabilao toa ny COSFA izay resin'ny Tsaramandroso tany Mahajanga 4 noho 3.Mbola tsy avotra koa ny Uscafoot na dia nandresy 1 noho 0 ny Fanalamanga aza.Ity farany anefa efa nanodina mpilalao satria mety amin'io laharana faharoa hihaona amin'ny fahatelo ao amin'ny Vondrona Avaratra.Mbola azo hosokajiana Analamanga ihany koa ny Ajesaia na dia any Tsiroanomandidy aza satria dia etsy Antanikatsaka no milalao izy.
Mbola voatazon'ny KFCA indray koa anefa ry zareo (2 noho 2) ary dia tantara sisa izany Ajesaia izany. Izay tsy lasa any Seychelles dia nalain'ny ekipa lehibe eto an-tanana. I Manda ilay mpiandry tsatokazo aza moa efa nikopaka elatra any Frantsa na dia R1 aza no hilalaovany.Mba efa mandray euros aloha angamba na dia mbola tsy sokajiana matihanina aza izany R1 izany. Ekipa roa izany no tena nanamarika ity taom-pilalaovana ity dia ny Fosa Juniors izay resy indray mandeha nanoloana ny ASA ( 3 noho 1) nefa dia mbola mijanona eo amin'ny laharana voalohany.Voalohany toy izany koa ny Disciples aty amin'ny Vondrona Atsimo.Ny tombona ho an'ity farany dia ny fahatongavan'ireo taninketsa be dia be efa azo ampiadiana toa an'i Faniry sy Liva izay namono baolina nanoloana ny Zanakala. Mbola eo koa i Messi fa indrindra moa Andy izay lazain'ny mpanazatran'ny Barea, Roro Rakotondrabe, fa tena manana ny ho aviny mamiratra.Mbola tena ady koa anefa ny mieritritra izany Fosa Juniors sy Disciples any amin'ny famaranana ny dingana faharoa izany.Manao lalao mandroso sy miverina ireo ekipa mifanena amin'ny ampahaefa-dalana ity ary izay no mahatonga ny roa tonta tsy mihaona.Tombatombana ihany moa izany fa ianao ve dia mihevitra fa hanaiky mora izany ny Elgeco Plus. Azy ny baolina azy mbola lasany koa i Fenohasina ilay lohalaran'ny Ajesaia isan'ny kinga indrindra saingy tsy fantatra izay tsy hitiavan'i Roro Rakotondrabe azy na dia ho fanandramana ny CHAN ihany aza.
Clément RABARY
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap