airtel

Sport

21-juin-2024

Baolina Kitra PFL

Manana tombony ireo ekipa mampiantrano

Sample post image

Ho fantatra ny alahady ho avy izao ireo ekipa roa hiady ny famaranana eo amin'ny Coca Cola PFL ity.

21-juin-2024

Nandresy 1 noho 0 ny Elgeco Plus nanoloana ny 3FB. Tao amin'ny Elgeco Stadium no nanantotosana izany lalao mandroso izay. Nandresy 3 noho 2 tao Ampasambazaha koa ny Zanakala raha nihaona tamin'ny Disciples FC. Ary izay elanelan'isa kely izao no mahatonga hiteny hoe ho ratsy ho an'ny Zanakala sy Elgeco ireo alahady ireo. Noesorina mantsy ny sazy mandrara ny 3FB tsy handray lalao ao Andaboly noho ny antony tsy fantatra fa eto Madagasikara ihany aloha no misy izany. Mbola nahazo tombony indray aza ny filohanlny Ligy Atsimo Andrefana fa nentin'ny filoha Alfred Randriamanampisoa tany Afrika Atsimo nanaraka ny Barea na dia tsy nisy mpilalao avy any aza satria i Angelo Andrianantenaina na avy any Toliara aza dia efa milalao amn'ny Excelsior atsy La Réunion. Tafiditra ihany anefa ny filoha Alfred Randriamanampisoa satria dia nanome bala hitifirana azy satria sarotra izany handresy 3FB ao Andaboly izany. Ankoatra ny Zanakala mantsy dia ny 3FB irery no ekipa tohanan'ny tanana iray manontolo Ary tombony ho azy izany satria manohana ny rehetra raha tsy hiteny afatsy ny Talen'ny Fanantanjahatena, Franklin Randriamanarivo izay tafidtra tao anatin'ilay sakoroka tamin'ny fihaonana tamin'ny Dato. Ary izay ilay hoe fanohanana tsy misy fepetra.

MILA MAILO
Mila mailo ihany anefa ny 3FB ka memetraka olona iray eo amin'i Feno izany hany mpamono baolina ny Elgeco. Tena havanana ity mpilalaon'ny Ajesaia taloha ity fa mahagaga ny tsy mbola niantsoan'i Roro Rakotondrabe azy ho Barea. Mety misy lonilony fa halako bika tsy tiako tarehy. Tsy maditra anefa i Feno fa tena milamina be raha ny fanazavan'ny mpanazatra Hery be. Tokony asiany olona koa anefa eo amin'i Dôddy izay tena mpamahana baolina an'i Feno. Sarotra azo anefa ny baolina eny an-tongotr'ity mpilalaon'ny JET Mada taloha ity izay nahazo anarana hoe kely fa dada. Raha ny lalao iray izay hatao etsy amin'ny kianja By Pass dia zavatra roa no mety ahavoa ny Zanakala. Tsy milalao aloha i Fabrice izay nahazo karatra mena. Faharoa dia tsy ahavory olona ohatra ny any Ampasambazaha izy ireo. Mbola misy fanintelony aza dia ny hoe mahalana izany Disciples resy eo amin'ny kianja Elgeco Plus izay nosafidiana ho kianja handraisana satria ilay any Betafo mbola tsy notokanana hatramin'izao. Mitpmbo noho izany ny vola lany satria dia Sprinter maromaro no mitatitra ny olona avy any Betafo. Ny tsy hodiana tsy hita koa dia tena niakatra ny herin'i Tendry rehefa tompon-toerana tao amin'ny Barea ary porofo ireo baolina roa matiny tany Fianarantsoa. Fa anga i Tendry ihany fa mbola ao koa i Mando, Dahery sy ireo zaza mandimby toa an'i Tony. Ary na i Drogba izay miverimberina amin'ny tanjany aza dia mety hanao zavatra na dia valibabena ihany aza satria ny Disciples no niantoka tanteraka azy fony izy narary tsy nisy nijery. Na izany aza na any Toliara na eto Antananarivo dia tena hiady ny baolina. Ny hirariana fotsiny dia ny mba tsy hanimban'ny mpitsara ny lalao. Alaim-panahy mantsy izao ireo mpitsara ireo hoe ekipan'ny filohan'ny FMF anie ity Elgeco Plus. Ary raha tojo an'izay dia aleo manofa raopilanina hiverena aty Antananarivo.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

19-juil-2024

Miditra eo amin'ny fifaninana Afrikanina daholo izao na ny Barea na ireo ekipa roa misolotena antsika dia ny Elgeco

Card image cap
18-juil-2024

Efa any Botswana ny ekipa malagasy hiady ny fiakarana ho Vondrona faha 4 amin'ny Coupe Davis.

Card image cap