airtel

Sport

12-févr-2024

Baolina kitra PFL

Mitovitovy amin'ny CAN 2024

Sample post image

Ny toetrandro ve mahatonga izany fa dia mivadika toy ny tany Côte d'Ivoire

12-févr-2024

ny fandehan'ny baolina eto Madagasikara raha ilay PFL no arahina.Andro voalohany iny faran'ny herinandro io fa dia ireo tsy nampiozina rehetra no nandresy.Ny fandresen'ny Zanakala tany Toliara 1 noho 0 no mety nampiavaka azy. Niaritra ny mafy anefa ireto Zanakala ireto fa nanaovan'ny mpitantana any an-toerana kz sady tsy nahazo kianja hanazaran-tena no mbola nilaona vaniny teo amin'ny ankanjo hanaovana. Ny Fosa izay noheverina tsy hanaikitra intsony taorianan'ny tataka be nahazo azy ka lasa daholo ireo andrarezina toa an'i Tsiry (Saint Pauloise), Jean Yves (Elgeco Plus), Naina Avizara (Zanakala), Fabrice (Polisy), indray no nahavita nandresy 5 noho 0 ny KFCA. Nahafaty ny baolina telo i Carlos izay mpilalaon'ny CFF Andoharanofotsy. Tsara fanombohana kosa ny Inate FC izay niampy ny FC Rouge ka nandresy 1 noho 0 ny Dato. Ankoatra ireo dia ireo fahagagana sisa. I Disciples FC izay tena tsara fiomanana izao dia resin'ny Elgeco Plus 1 noho 0. Baolina matin'i Feno izay mpilalaon'ny Ajesaia taloha fa nanampy ny Elgeco tany Afrika kanjo tonga dia tafajanona. Izao dia lasa resin'ny ASA Diana ny Ajesaia sisa satria ankoatra an'i Feno dia efa lasa any Seychelles daholo ireo mpamono baolina.Nirava ady sahala, 0 noho 0 ny CFFA sy MAMA. Nataon'ny AS Fanalamanga nahita koa ny COSFA tany Ambatondrazaka. Nandresy 2 noho 0 ny Moramanga. Baolina matin'i Elefoni sy Onja.Eo amin'izay fahagagana izay dia resin'ny Tsaramandroso tao Mahajanga 1 noho 0 ny USCAFOOT. Tany Tsiroanomandidy indray dia nalainlny ASA Nosy Be baraka tao antaniny ny Ajesaia, 3 noho 1.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap