airtel

Sport

26-févr-2024

Baolina kitra PFL

Nilentika ny CFFA

Sample post image

Tena tsy mandeha amin'ny laoniny intsony ny CFFA Andoharanofotsy.

26-févr-2024

Taorian'ny fahareseny nanoloana ny 3FB Toliara dia mbola resin'ny Dato 2 noho 1 koa izy omaly. Ny CFFA anefa no nanokatra ny isa tamin'ny alalan'i Elliot saingy mbola ny Dato no nahatafiditra baolina roa tamin'ny alalan'i Légende sy Lampo. Mitana ny rambony ao amin'ny Vondrona Atsimo izany aloha hatreto ny CFFA. Nisaraka ady sahala samy tsy nitoko mantsy ny Elgeco Plus sy ny Inate FC Rouge ary ny Zanakala sy Mama.Ny Disciples kosa dia nandresy ny 3FB tamin'ny baolina tokana matin'i Liva. Ny AS Fanalamanga no nanamarika iny andro fahatelo iny raha nanamontsana ny Tsaramandroso tamin'ny isa mavesatra 5 noho 0. Nandresy na dia somary sempotra ihany aza ny Fosa tao antokontaniny raha nihaona tamin'ny Ajesaia.3 noho 2 no nisarahan'ny roa tonta tao amin'ny Kianja Rabemananjara izay tena feno hipoka. Nisaraka 1 noho 1 koa ny COSFA sy Uscafoot raha nandresy 3 noho 0 ny ASA Nosy Be nanoloana ny KFC A.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap