airtel

Sport

08-févr-2024

Baolina Kitra PFL

Tonga dia baomba ny Elgeco≠Disciples

Sample post image

Hanomboka ny faran'ny herinandro io ny Pure Play Football League

08-févr-2024

na ny Pro League mahazatra.Nozaraina vondrona roa Avaratra sy Atsimo ihany ilay izy fa ny COSFA sy Ajesaia ary Uscafoot no nalefa any Avaratra tsy misy hoe ahoana na atsapaka fa dia izay. Io angamba mety amin'ny tompom-baolina. Tonga dia vavany ary avy hatrany dia ny Elgeco Plus sy Disciples FC no hifandona ny sabotsy amin'ny 2 ora etsy amin'ny Kianja Elgeco ihany.Hamaly faty ny Disciples izay resy 1 noho 0 tamin' ny nafitsoky ny mpitsara nandritra ny manasa-dalan'ny Amboaran'i Madagasikara. Raha tonga hanamafy hidintrano ny Disciples i Radio avy any amin' ny Fosa dia efa nilalao tao amin'ny Elgeco kosa tamin'io fotoana io i Jean Yves Fosa sy Bonard CFFA. Hiady izany aloha ny baolina raha tsy manao ny ataony indray ny mpitsara Oviana ny FMF vao mba hanasazy mpitsara toa ny ataon'i Gianni Infantino tamin'ilay Gabonais Atcho. Mbola hisy fiovana koa ve nefa tsy misy niova ny tomponandraikitra misahana ireo mpitsara .Hiady na izany ity fifaninana ity nanao be fandroaka koa ny Zanakala naka an'i Parex JET Kintana, Lalaina COSFA, Naina Avizara Fosa ary Rado CFFA. Nihetsika koa i Titi Rasoanaivo ka naka maromaro hanatevina ny CFFA. Tap ohatra i Urgino sy Ravaka samy Ajesaia ary Mbola an'i Dato sy Lalane Uscafoot. Asa aloha izay havoakany fa hidona amin'ny MAMA ry zareo Andoharanofotsy raha handray ny 3FB ao Ampasambazaha ny Zanakala. Any amin'ny vondrona ilany indray dia hifamono ny Anesaia sy COSFA. Ho hita koa raha mbola manaikitra ny Fosa sisa tavela manoloana ny Uscafoot izay manana ireo mpilalaon'ny US Pro tonga hatrany amin'ny manasa-dalan'ny Amboaran'i Madagasikara.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap