airtel

Sport

15-avril-2024

Baolina kitra PFL

Voalohany ny Disciples

Sample post image

Tsy niova ny filaharana taorianan'ny andro fahafito ny Pure Play Football League.

15-avril-2024

Mbola mitana ny laharana voalohany ao amin'ny Vondrona Atsimo ny Disciples FC izay nandresy ny Inate FC Rouge tamin'ny isa 2 noho 1. I Tinoh no nahafaty ny baolina roa an'ny Disciples izay mbola manaporofo fa manana olona mpamono baolina ity ekipa iray ity raha tsy hiteny afatsy Ludovic sy Tendry ary Dahery. Hidona amin'ny Lalao mandroso sy miverina amin'ny ekipa fahaefatra ao amin'ny Vondrona Avaratra izany ny Disciples izay mbola tsy fantatra na ny AS Fanalamanga na ny Tsaramandroso Formation saingy tsy fantatra raha nahavoaloa ny saram-pisoratana ihany ity ekipa avy any Mahajanga ity raha tsy izany dia ny Uscafoot fahadimy no miakatra satria nandresy mazava ny Ajesaia tamin'ny isa 4 noho 2 izy. I Feldman ilay JET Mada taloha no nampiditra ny baolina roa ho an'ny Uscafoot.Nandresy 1 noho 0 ny Zanakala ihany koa ny CFFA tao Ampasambazaha. Baolina matin'i Aurlando.Nomontsanin'ny Fosa Juniors kosa ny COSFA. Baolina roa matin'i André ary ny itay kosa novonoin'i Fetra (40).Mipetraka eo amin'ny laharana fahafito izany ny miaramila raha fahaenina ny KFCA izay nodarohan'ny AS Fanalamanga 2 noho 0. Miandry izay filaharana farany izany ny rehetra satria miankina amin'izay fanapahan-kevitra mikasika ny Tsaramandroso.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap