airtel

Sport

17-avril-2023

Sport

Baolina Kitra - Pro League Romotra ny Disciples FC

Sample post image

Nanamarika ny andro faha 14 ny Orange Pro League ny namontsanan'ny Disciples FC ny Dato tao antananany

17-avril-2023

Nangidy ny riran' ireo mpijery marobe tao Manakara fa tsy nananan'ny Disciples antra mihitsy fa nampibabeny isa mavesatra 6 noho 1. I Mando no tena nisongadina fa nahafaty ny baolina telo raha iray avy ny an'i Coka, Tendry sy Liva. Tsy latsaka izany koa anefa no nanaovan'ny Fosa Juniors ny Tia Kitra tao amin'ny kianja Rabemananjara fa dia novelesiny tsy an-kijanona raha tsy tonga 7 noho 0. Asa aloha izay fanampahan-kevitry ny Pro League amin'ny herintaona fa tokony jerena akaiky izao vokatra izao raha mba te hiakatra ny haavo teknika satria dia lasa mampiady biby tsy mitovy. Mandra- piandry aloha dia toy izao ireo vokatra hafa tamin'ny faran'ny herinandro Vondrona Atsimo - Zanakala nandresy ny MAMA FC 3 noho 2 - CFFA nandresy ny JET Kintana 3 noho 0 - Elgeco Plus nandresy ny 3FB Toliara 2 noho 1 Vondrona Avaratra - ASA Nosy Be sy COSFA 0 noho 0 - Uscafoot sy AS Fanalamanga 0 noho 0.

Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona

Card image cap