Hanaraka fiofanana any Le Caire izy ny 9 ka hatramin'ny 13 jona izao ity mpitsara izay tena reharehan'ny Betafo tany niaviany. Efa ela no nampiseho ny fahaizany ity mpitsara iray ity saingy izao izy vao hitan'ny olona. Modely izy raha izany fitsarana baolina kitra izany noho ny fahatsorany nefa dia tena voafehiny na dia ny lalao ataon'ny lehilahy aza. Misy mihitsy aza ny mampitovy amin'ilay kintana frantsay Frappart saingy tsy ho hita izy raha tsy ny sehatra avo toy ny CAN ireny. Lalana izay nahitan'ny FIFA an'i Pelagie izay efa mpitsara mpanampy nitety izao tontolo izao. Ary raha ny vinavina aloha dia mety hanaraka ny diany koa ity Dom ity, anarana izay tena ahafantaran'ny mponina aty Betafo azy.
Clément RABARY
Tapitra anio ny fitsirihan’ireo teknisianina roa avy amin’ny CAF sy avy amin’ny FIFA,
Tsy kaomorianina aho, hoy ny vodilaharan’ny Angers SCO, klioban’ny baolina kitra frantsay, Lilian Raolisoa,