airtel

Sport

15-janv-2021

Sport

Baolina kitra vehivavy Hisy fifaninanana an-tsekoly ho an`ny sokajy U-15

Sample post image

Anisan’ny Federasiona voasafidy hanatanteraka andrana amin’ny tetikasa

15-janv-2021

 

 

 

volavolain’ny CAF hampiroboroboana ny baolina kitra vehivavy ny Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra. Hisy, araka izany, « mini-championnat » mandritra ny 3 volana ireo sekoly ireo ka zazavavy 15 taona no midina no handray anjara amin’izany. Sekoly miisa 8 aloha no hiara-hiasa amin’ny federasiona amin’ny fanatanterahana izany, amin’ny alalan’ny Concours scolaire CAF U15-Football Féminin. Anisan’izany ny Collège de France, Collège Rasalama, ESCA Antanimena, CEG Nanisana, CEG Antanimbarinandriana, CEG 67 Ha, , CEG Analamahitsy ary ny Collège St Michel Amparibe. Mialoha an’izay anefa dia hisy ny fampiofanana (Licence D) ho an’ireo mpampianatra fanatanjahantena sy tompon’andraikitra eo anivon’ireo sekoly tsirairay avy. Marihina fa hezahina aparitaka manerana ny Nosy ity tetikasa ity amin’ny andiany manaraka mba ahafahan’ireo faritra rehetra misitraka izany. Nisy ny fihaonana voalohany tamin’ireo talen-tsekoly sy ireo tompon’andraikitra ara-panatanjahantena tao Isoraka, mba ho fanomanana sahady ny hetsika izay hotontosaina.

 Marigny A.

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap