airtel

Sport

20-févr-2023

Sport

Baolina Kitra vehivavy Mahavelom-bolo ny ao Betafo

Sample post image

Manomboka tia baolina kitra vehivavy ny mponina ao Betafo. Mifarimbona rahateo moa ny rehetra hamelomana ity kitra vehivavy.

20-févr-2023

Ankoatry ny Open izay karakarain-dry Masera dia efa nanomboka ny Fifaninanana 8 martsa izay karakarain'ny solombavambahoaka, ny Dokotera Lova. Tomefy olona ny kianja marapenitra ao an- toerana Ary miisa 11 ireo mpandray anjara. Mahavelombolo ny ho avin'ity tanjany ity raha ny zavatra hita hatreto, ary misy ireo tena mahafehy azy raha tsy hiteny afa-tsy Voahirana Rasoarilalao sy Aina Martine samy mpilalao ai amin'ny STPL. Fa raha ny lalao omaly tolakandro aloha dia nanjakan'ny Akany Fanantanjahantena Amboniavaratra Miray (AFAM) izay nandresy 4 noho 0 ny FAM Masera. Nomontsanin'ny Oratorio tamin'ny isa 4 noho 1 koa ny Ankoay raha 2 noho 1 no nandresen'ny Club des Dames ny Faneva.
Legende : Ny mpilalaon'ny AFAM Amboniavaratra ireto no tonga amin'ilay fiteny hoe kely fa dadany
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap