airtel

Sport

31-août-2023

Baolina kitra

Vita hatreo ny kakikajy!

Sample post image

Anio tolakandro etsy Mahamasina amin'ny 4 ora ny lalao manasa-dalana eo amin'ny baolina kitra izay hihaonan'ny

31-août-2023

Barea sy ny Cœlacanthes Komorianina. Izay no vokatry ny antsapaka ary tsy misy hoe mafy io na malemy mihoatra ny La Réunion fa dia tsy maintsy hatrehina. N'y tanjona dia mazava fa ny handrombaka ny medaly volamena izay tamin'ny 1997 isika no nahazo farany.Tsy misy intsony ny kitranoantrano fa izay ao amin'ny heriny no mijoro.Eny fa na dia i Nina aza izay tsy dia tao loatra raha ny baolina nasehony tamin'iny lalao an'ny Elgeco iny. I Fabrice aloha no tena aho satria raha tsy izy no teo dia mety resin'ny Maorisy ny Barea. Isan'ny tsy tao koa i Dadafara ka sao dia tokony Rado Fanalamanga no ajoro. Ireo mpanolotsaina vazaha mbola andaniantsika volabe izany no tokony mandresy lahatra an'i Roro amin'izay olona tokony hajoro. Fa hatreto aloha dia tsy maharesy lahatra loatra i Jean Yves, asa mety tsy tsara fahana angamba na tsy zatra miaraka amin'i El Hadary satria tsy teo intsony i Dax izay tsy voaantso intsony fa tsy tafaverina amin'ny heriny taloha.Afaka misafidy tsara mpilalao afaka miatrika ny Comores aloha raha ny ao anaty lisitra manodidina ireo tsy azo hialana toa an'i Berajo, Ando Pro, Tendry ary Lalaina ary Tsiry.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique