airtel

Sport

19-oct-2026

Baolina kitra

Voatokana ny Foibe teknika

Sample post image

nasionaly eny Carion

19-oct-2026

Notokanana tamim-pomba ofisialy afak’omaly Sabotsy 17 Oktobra ny ivon-toeram-panofanana Teknika momba ny Baolina Kitra ( CTN ) eny Carion sy ny kianja sentetika vaovao ao an-toerana. Tetik'asan'ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra sy ny Fanjakana izy io hanatsaràna ny fanomanana ireo ekipam-pirenena Malagasy amin'ny fiatrehana lalao iraisam-pirenena sy hampandrosoana ny baolina kitra malagasy amin'ny ankapobeny mihitsy. Nitarika ny lanonam-pitokanana ireo foto-drafitr'asa ireo ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana mirahalahy ny jeneraly Lucien RABEARIMANANA sy ny kolonely Gervais ANDRIAMIHARITSOA, notronin'ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena Alain Désiré RASAMBANY sy ny Filohan'ny Federasion'ny Baolina Kitra Malagasy Alfred ANDRIAMANAMPISOA. Tonga ihany koa ny solon-tenan'ny FIFA ka nomem-boninahitra manokana i Maitre KIRA izay kintan'ny Baolina Kitra Malagasy vao nindaosin'ny Fahafatesana tsy ela akory izay. Faly sady nankasitraka tanteraka ny fahazoany izao foto-drafitrasa izao ireo mponina ao Carion.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraiki-panjakana nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana !
 

Dans la même rubrique