airtel

Sport

17-janv-2023

Sport

Barea CHAN Mahavelom-bolo ny tohiny

Sample post image

Manana herijika hiatrika ny ampahavalon-dalana ny Barea CHAN taorianan'iny fandresena miezonezina manoloana ny Ghana ny alahady Téo tao amin'ny kianja Chaud Hamlaoui tao Constantine.

17-janv-2023

Tsara iny vokatra iny hoy Roro Rakotondrabe. Ary vao maika aza tsara satria tsy tonga ry zareo Maraokanina. I Soudan izany sisa no miandry an'i Tantely sy ny namany Mila mandresy anefa hoy Roro Rakotondrabe Raha te hihaona amin'ny faharoa avy amin'ny Vondrona A Raha esorina mantsy Alzeria tompotany dia mety n'y iray amon'ny Ethiopia sy Mozambika sisa. Ny zoma teo amin'ny lanonam-panokafana mantsy dia resin'ny Alzeria 1 noho 0 ry zareo Libya. Baolina matin'i Aimen Mahous tamin'ny penalty Io. Izany somary sahirana ihany ny Alzerianina. I Mozambika sy Ethiopia kosa dia nisaraka Ady sahala samy tsy nisy nitoko. Vonono ny Barea hoy ihany Roro Rakotondrabe Izay tena faly satria saika mpilalao avy tao amin'ny Adema Ireo vodilaharana ahitana an'i Nina mpiandry tsatokazo, Datsiry Dadafara ary Tantely. Ny tany aloha indray dia niantehitra tamin'ireo mpilalao efa zatra miaraka Izay ka mety Ireo tolotra tranokala mahavalalanona iretsy andaniny. Tao ohatra ny mpilalaon'ny Fosa tarihin'i Dax Izay niverina amin'ny heriny ka araka manolotra tsara Ireo namany n'a Tsiry n'a Jean Yves. Taty amin'ny sisiny Indray Dia niavaka i Lalaina sy Rakoul samy CFFA fa mifankahita anaty ady. I Rojo be Ajesaia sy ny vatabeny sisa no manao rindrina voalohany eo anoloan'i Berajo. Mafy ity ekipa ity raha izao filahatra izao, fa ny fanontaniana dia ny hoe oviana ny Barea A an'ingahy Dupuis no mba hitsapa dona amin'ireto boay kely manohitra ireto. Mety hahafinaritra a ?
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)

Card image cap
13-juin-2025

Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe

Card image cap
12-juin-2025

Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’

Card image cap
12-juin-2025

Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,

Card image cap