airtel

Sport

22-févr-2023

Sport

Barea CHAN Mety ho lasa koa i Nina

Sample post image

Taorian'i Rakool dia mieritreritra haka an'i Nina Razakanirina ilay mpiandry tsatokazo, ny Mouloudia Club d'Alger.

22-févr-2023

Handeha hifindra any Arabie Saoudite koa mantsy ny mpiandry tsatokazo tompon-toerana ka izay no mahatonga ireto Alzerianina ireto hitodika any amin'i Nina .Mazava ho azy fa na mbola tsy niloa-bava aza i Nina dia fantatra fa tsy maintsy hanaiky ity tolotra vaovao ity satria dia mety tsy mifanalavitra amin'ny azon'i Koloina Razafindranaivo no ho azony izay 34 tapitrisa ariary isam-bolana. Na ny Elgeco Plus izay fantatra fa tena manankarena aza dia ho sarotra aminy ny handà. Ataon'i Alfred Randriamanampisoa ahoana ny tsy handray ny sandan'ny fifindrana mitetina 50 000 euros raha misy izany. Mety ho vitan'ity solombavambahoaka an'Antsirabe 2 amin'izay ny lalana mankany Tritriva sy ny manodidina angamba.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap