airtel

Sport

20-mars-2024

Barea

Efa maro ireo mpilalao avy any ivelany tonga

Sample post image

Raikitra ny baolina ho an'ny Barea ary ny zoma izao no hifandona amin'i Burundi.

20-mars-2024

Lalao miendrika fitsapana ihany satria raha ara-taratasy aloha dia mety ny Barea CHAN aza tsy ho laniny. Ny mahafaly aloha hatreto dia ny fahatongavan'ny mpilalao vaovao toa ireo mpiandry tsatokazo Rapeto roa dia i Sonny Laiton (AJ Auxerre) sy Teva Gardies (Paris FC). Ny hirariana dia mba tena azo ampiadiana tsara izy roalahy ireto na dia mbola misy fo kely mitempo ihany aza ho an'i Nina. Efa notsapaina tany amin'ny Paris FC moa ity mpiandry tsatokazon'ny Elgeco ity saingy dia niverina fotsiny. Midika ve izany fa mahay lavitra i Teva noho izy ? Zoma isika mahita azy. Efa tonga koa ny kapiteny Rayan Raveloson izany tena amin'ny heriny. Raha tsy misy sampona aza dia mety lasa Ligue 1 ny Auxerre amin'io taom-pilalaovana manaraka io. Fa mbola mpilalao vaovao koa i Robin Busset Fomendraza izay milalao any Suisse ao amin'ny diviziona fahatelo. Mbola tsy fantatra izay tena afitsony fa dia miandry aloha ny rehetra amin'ity mitovy anarana amin'ny minisitra Fomendraza. Clément Couturier (Swift Hespéranze) ary Kenjy Van Boto sy El Hadary no efa eny amin'ny Ibis miaraka amin' i Bolida izay tena vy nahitana sy angady nananana ireo mpilalao matihanina. Efa tany Séville mihintsy ny lehilahy niresaka tamin'i Francis Coquelin fa dia ho hita eo ny tohiny amin'ny volana jona. Tsy tonga kosa i Loic Lapoussin sy Marco Ilaimaritra nefa tsy nisy filazana hoe naratra. Dia ho sanatria ve tezitra tamin'ny fanehoan-kevitr'i Njiva no antony. Tokony ho tonga ihany anefa indrindra i Lapoussin izay kitikitihan'ny Werder Brême any Alemaina. Mikaonty mantsy izay mpilalao ao anaty ekipam-pirenena iray rehefa anaty fifampiraharana amin'ny fifindrana toy izao. Miandry izay tena havoakan'ny Barea ny rehetra izay miandry ny handefasan'ny TVM mivantana ny sary satria sarotra izany hoe mahazo vary efatra kilao ny seza eny amin'ny gradin. Ny eny amin'ny tribune ambony aza moa tena vidin'omby kely.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

13-mai-2024

Resy ny Ladies Makis omaly. Resy 17 noho 46 nanoloana ny Springbok Afrika Atsimo.

Card image cap
13-mai-2024

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier sy ny namany ao amin’ny Swift Esperange

Card image cap
13-mai-2024

Tena mikorontana ambany ambony ny Pure Play Football League amin'izao.

Card image cap
13-mai-2024

Nitondra setriny manoloana ny fifandirany amin’ny AS Fanalamanga izay nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao

Card image cap
13-mai-2024

Tombanana ho fara-fahatarany amin’ity herinandro ity ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena

Card image cap