Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao 24 nantsoina hiatrika ny lalao roa sosona hikatrohana amin’i Guinée-Bissau ao anatin'ny fifanintsanan'ny CAN 2027, amin’ity volana Novambra ity ny ekipam-pirenena malagasy Barea A i Corentin Da Silva Martins, mpanazatra ny Barea. Tsy dia misy fiovana firy. Ny zava-baovao dia ny fiantsoana an'i Roman Ferber, isan'ny voaantso kosa i Fenohasina, mbola voaantso hatrany i Hakim Abdallah, tsy anaty lisitra i Loïc Lapoussin,... Tafaverina anaty Barea A kosa i Berajo. Mpilalao telo no voantso hiaro ny harato, dia i Geordan Dupire, Sonny Laiton ary Zakanirina Rakotoasimbola. Eo amin’ny vodilaharana kosa dia i Sandro Tremoulet, Ehsan Kari, Rajo Nirina Razafindrabe Arimihanta, Thomas Fontaine, Mathieu Acapandié, Radoniaina Rabemanantsoa, Morgan Jean Pierre ary Ryan Ponti no voantso. Mpilalao enina no mandrafitra ny afovoan-kianja, dia i Marco Ilaimaharitra, Behaja Randriamanalala, Clément Couturier, Nicolas Randriamanampisoa, Rayan Raveloson ary Johan N'Zi. Eo amin’ny fanafihana indray dia i Nicolas Fontaine, Warren Caddy, Hakim Abdallah, El Hadary Raheriniaina, Roman Ferber, Arnaud Randrianantenaina ary Fenohasina Razafimaro no voafantina. Tsiahivina fa ao amin’ny Vondrona L, miaraka amin’i Guinée-Bissau, Nigeria ary Tanzanie, no misy an’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (CAN 2027). Eo amin’ny laharana fahatelo vonjimaika ny Barea, taorian’ny andro roa voalohany. Mitana ny laharana voalohany i Guinée-Bissau, izay manana isa 6, taorian’ny fandresena roa azony. Eo amin’ny laharana faharoa kosa i Nigeria, manana isa 3. Isa 1 no ananan’i Madagasikara, mitovy amin’i Tanzanie, izay eo amin’ny laharana fahefatra. Tamin’ireo lalao roa voalohany, resin’i Nigeria tamin’ny isa 2 noho 1 i Madagasikara ny 25 septambra 2026. Nisaraka ady sahala 1 noho 1 kosa ny Barea sy Tanzanianina tamin’ny 29 septambra 2026. Hifanandrina amin’i Guinée-Bissau indroa misesy ny Barea, ny 12 sy 17 novambra 2026. Lalao lehibe ho an’ny ekipam-pirenena malagasy ireo, satria ilaina ny fahazoana vokatra tsara mba hanatsarana ny toerana misy azy ao amin’ny vondrona sy hanamafisana ny vintana hiatrehana ny CAN 2027, izay tena sarotra ny toerantsika hatreto satria toerana iray sisa hiadiana noho i Tanzanie efa tafakatra foana amin'ny maha mpampiantrano azy.
Toky R