airtel

Sport

11-juin-2024

Barea hihaona amin’i Mali

Nanatombo be tamin’ny fizarana kianja

Sample post image

Azo lazaina ho nanatombo be tamin’ny fizarana ny kianjan’ny First National Bank Stadium any Johannesburg,

11-juin-2024

Afrika atsimo, ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara raha hihaona amin’ny voromaherin’i Mali amin’ity takariva ity. Azo lazaina hoe efa maherin’ny 10 andro teo izany, tamin’ny ankapobeny ry Ibrahim Amada sy ny tariny no nizatra izany FNB Stadium izany. Tsy vitan’ny hoe nanao fanazarantena fotsiny fa efa niatrika fihaonana nitondra fandresena mihitsy nanoloana ny ekipam-pirenena kaomorianina ny 7 jona teo. Tombanana ho tsy toy ny mpanofa trano intsony, noho izany, isika amin’ity anio ity fa tokony ho tena mendrika ny mampiantrano lalao mihitsy na dia tsy etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina aza. Ry zareo malianina notombanana ho vao tonga tamin’ny maraina tamin’ny 4 ora aty amintsika nefa hiatrika lalao rahariva amin’ny 4 ora eto amintsika ihany koa. Anaty harerahana tanteraka, raha ny tokony ho izy, no hiatrehan’ny ekipam-pirenena malianina ity andro faha 4 amin’ny fiadiana ny tapakila ho any amin’ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra amin’ny taona 2026 ity. Heverina fa tokony hanatombo be ny Barean’i Madagasikara anio manoloana izany, indrindra, eo amin’ny resaka angovo satria azo lazaina ho mifanatsahana ihany ny ekipa roa tonta raha ny ara-batana no jerena. Mbola manatombo aza isika kanefa ry zareo izany raha ny tokony ho izy efa tena reraka. Tsy azo lavina, noho izany, fa tena ho afa-baraka isika raha sanatria mbola ho resy eo. Mila mailo hatrany anefa mba tsy hisian’ny tandrevaka.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap