airtel

Sport

01-sept-2025

BAREA Malagasy

Tena nampitolagaga ny maro

Sample post image

Resy am-boninahitra ! Izay no azo hilazana ny Barea nandritra ny famaranana tany Nairobi iny.

01-sept-2025

Niondrika 2 noho 3 nanoloana an'i Maroc ny Barea. Izay aloha no vita ary tena hifaliana satria nampitolagaga ny rehetra ny fahaizana zandry kely ireto. Isika rahateo no nanokatra ny isa tamin'ny daka mandrivorivo nataon'i Fely (9). Nosahalain'i Mehdi anefa izany (27) ary dia mbola ny Maroc ihany no namono ny baolina fanindroany izany nisy tosika tany am-boalohany niampy "hors jeu" fa tsy notsifin'ilay mpitsara avy any Cameroun. Ny baolina fahatelo indray izay niitondra ny fandresena ho an'i Maroc dia daka lavitra izay nandritra an'i Toldo izay niakatra teny aloha asa loatra hoe nisy inona. Tsy omena tsiny anefa ity razoky ity fa betsaka koa ny baolina navotany. Resy ny Barea. Ary resy amin'ny lafiny rehetra ary ohatra amin'izay ny kianja mahazo fankatoavana.Miisa 10 ny azy ary 6 amin'ireo no handraisana ny Amboara eran-tany ny taona 2030.Ny antsika anefa ny iray nodradradraina manara-penitra aza mbola tsy neken'ny CAF noho ny antony maro. Marina fa isan'ny nahazoana izao vokatra tsara izao dia noho n'y ezaky n'y CEFM nikarakara ny Pro League.Saingy mbola mety tsara noho izao raha atao manara-penitra koa ny fizotran'ny fifaninanana ka atao mihaona mandroso sy miverina koa ireo mpandray anjara.Azo atao izany hoy ny filohan'ny CFEM Tota Henintsoa Rakotoaromana saingy ho vitsy sisa no mety handray anjara. Mila manamboatra dieny izao koa aza satria betsaka ireo Barea CHAN no misy mividy.Nicolas, Bono, Rado, Jaina ary Tony izao no efa misy manontany satria efa any Ambatonapoaka ireo mpividy omby.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

09-févr-2026

Etsy amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina

Card image cap