airtel

Sport

11-juin-2024

BAREA

Manana tombony ara-môraly

Sample post image

Anio amin'ny 4 ora ny lalao hihaonana'ny Barea sy ny Voromaherin'i Mali.

11-juin-2024

Mialoha ny lalao anefa dia manana tombony ny Barea satria mbola tsy tena ao amin'ny heriny ireto Mali ireto matoa resin'i Ghana farany teo. Nisy mihintsy mpanao gazety Malianina nahasahy niteny ny mpanazatra Hamari Traoré hoe tokony miala izy noho ny vokatra tsy mahafa-po.Voadona araka izany ny moraly ho an'ireto ekipa ireto. Ary tsy vitan’izay ihany fa androany maraina tamin'ny 4ora maraina ny fiaramanidina nitondra azy vao tonga tao Johannesbourg. Ka na ny torimaso tsy ampy fotsiny aza miampy ny halaviran'ny lalana izay natao adiny 15 dia efa hitany ihany. Raha hieritreritra ny ho tafita anefa ny Barea dia mila mandresy ireto Mali ireto izay ambony aloha ara-taratasy noho ny fananany mpilalao avo lenta saingy misy irika ihany manoloana ny 4-4-2 apetrany. Ireo lohany roa aloha dia ahitana an'i Bilal El Touré izay milalao ao Atalanta, diviziona voalohany any Italia aty i Sinayoko izay mpilalao miaraka amin'i Rayan Raveloson sy Sonny Laiton ao Auxerre. Ny tena mandrindra ny lalaon'i Mali ao ampovoany dia i Kamory Doumbia izay mpilalaon'ny Stade Brestois na Brest izay ligy 1 fa tsy AS Brestoise an'i Julien Pontgerard izay Régional 1. Mafy ity Doumbia ity na dia vao 21 taona aza saingy amin'ny mahakely (tsy mba mamindro) azy izat dia mety ho voatrobdin'i Couturier ao izy na farafaharatsiny voazaitra tsy mihetsika. Ny olona kely dia mametraka safidy vaovao ny fahatongavan'i Fabien Boyer nefa raha ny endriky ny fanazarantena aloha dia mbola izy efa-dahy Safidy, Fontaine. Domeleon sy Rado no eo anoloan'i Sonny Laiton. Izany tokoa no tonga amin'ilay fiteny hoe tsy azo soloina ny ekipa mabdresy. Tsy mitovy anefa ny Comores sy Mali satria tanora lavitra ireto Voromahery ireto ka sao tsy zakan'ny zokiolona toa an'i Amada sy Carolus izay efa teo tamin'ny CAN 2019. Misy mantsy ireo afaka manolo toa an'i Angelo, Tsiry. Ando Pro ary Rojo Be satria tsy hoe vola tsy homby paosy no nanafarana ireo avy any La Réunion. Fa ny tena mety dia ny mampiditra an'ireo amin'ny fizaram-potoana faharoa sao miverina indray ny tany Ghana ka hoe mahafaty baolina anaty fanalavzm-potoana farany indray ny Mali. Aza hitako...
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap