airtel

Sport

13-mars-2025

BAREA

Mba hafahafa ahay ny sary

Sample post image

Nivoaka omaly ny anaran'ireo mpilalao handrafitra n'y Barea hihaona amin'ny Ghana s'y Centrafrique any Maroc

13-mars-2025

satria Dia Mbola tsy nahazo fankatoavana indray ny Kianja etsy Mahamasina.Nitondra fanovana kely ny mpanazatra vaovao Corentin Martins na dia misy ireo noheverina efa tapitra no naverina.Isan'izany i John Baggio izao mpilalaon'ny Sunkhatai any Thaïlande. Mbola nanrtsoina koa i Dax sy Hakim Abdallah ary Njiva.Ny vaovao mahafaly aloha dia ny nanendrena an'i Dekera ho mpanazatra mpanampy satria tena voafehiny aloha ny asany tao amin'ny Uscafoot sy Elgeco Plus. Mbola misy maromaro ireo toto-tanana toa i Rado Fanalamanga, Lalaina CFFA Ary Nina izay lasa any La Réunion ao amin'ny AS Marsouins s'y Berajo Saint Denis. Mbola isan'ireo efa niverina koa anefa i Melvin Adrien mpiandry tsatokazo.Ny tena manaova ny sary anefa dia ny fahatongavan'i Mathieu Arapandie izay vodilaharana ao amin'ny FC Nantes izay Ligy 1 any Frantsay. Any aloha koa no ahitana an'i Samuel Noireau Dauriat izay mpilalaon'ny En Avant Guinguanp. Mbola vodilaharana vaovao koa i Harrison Marcellin milalao any Israely ao amin'ny Beiter Jérusalem izay diviziona voalohany. Ankoatra ireo Dia misy ireo tena tompo-toerana toa an'i Rayan Raveloson izay nitondra ao amin'ny Young Boys any Suisse.Mbola ao koa i Clément Couturier sy Marco Ilaimaharitra raha ho tonga.I Loïc Lapoussin koa anisan'ireo irakiraka raha any aloha i el Hadari sy Arnaud n'a Dia efa tsy nijoro firy aza ity garant any amin'ny Le Gouna Ejipta. Asa aloha izay tena hijoro fa raha ny kajikajy mandeha tena mbola vitsy ireo mpilalao avo lenta.Naha be resaka izao i Lilian Raolisoa sy Andy Pelmard izay misy rohi-pihavanana amin'i Dekera fa tsy hita.Tsy hita toy izany koa i Saha Seyha ilay any Marseille.
Clément RABARY 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Tanterahana manomboka anio hatramin’ny alahady 16 martsa izao any Thailande

Card image cap
14-mars-2025

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy moa iny ireo mpilalao miisa 26 voaantso

Card image cap