airtel

Sport

12-janv-2024

Barea

Mbola ho sarotra raha i Ramalingom izany

Sample post image

Betsaka ireo miantsoantso ny hamerenana indray

12-janv-2024

an'i Alexandre Ramalingom ho ao amin'ny Barea noho ity farany mampiditra baolina maro. Ny tsy azon'ireo olona ireo dia ao amin'ny Sabail FK any Azerbaïdjan anie izy no milalao. Aiza ho aiza eran-tany izany Azerbaïdjan izany raha baolina kitra no resaka. Tsy ho fampitahana fe fampitahana fa mety tsy mifanalavitra amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Vakinankaratra angamba. Sady efa niaraka nahita anie ny nataon'i Ramalingom tetsy Mahamasina ka ho sarotra aminy izany ho tafaverina izany. Mbola misy Tsiry Kely, Tendry, Jean Yves ao fa angamba ny fandrindrana ny lalao mba hampahomby azy ireo no tokony hatao. Hatreto aloha dia mbola takon'i Loic Lapoussin raha resaka famonoana io baolina io sady izay indray any amin'ny Ligue des champions any Europe. Soa ihany fa mijery ny haavo teknika ny fifaninana any amin'ireny firenena ireny i Roro Rakotondrabe ka tsy mety ho voafitak'ireo mpanazatra facebook.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap