Toavina Rabe izay solontena avy amin'ny fiadiana ny repoblika nanolotra "crampons vissés" sy cycliste natao hiarovana amin'ny fanala. Tena hilaina ireo mba tsy hianjeranjera ny mpilalao. Ny filoha Andry Rajoelina no tena tompon’antoka fa niara-nisalaha tamin'iry vonjy aina ity ny ambasady malagasy ao Paris sy ao Alger. Nisaotra izao fihetsika Izao ny solontenan'ny FMF, ny namana Joro. Hinoana marimarina fa tena hiady ireto mpilalao rehefa tsapany fa manohana azy ireto ny Malagasy. Amboniny fotsiny ny fahafantarana fa mahazo iray tapitrisa tsirairay avy amin'ny Filoha Rajoelina raha vao mibata fandresena.
Clément RABARY
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona