airtel

Sport

28-mars-2024

Barea

Nakorontan'ny 500 euros…

Sample post image

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

28-mars-2024

dia voaresaka tao amin'ny trano fidiovana ilay resaka 500 euros nampanantenaina homena ny mpilalao tsirairay. Nangataka mantsy ireo mpilalao no hanomezana izany mialoha saingy tsy nahazo fahafaham-po.Ary raha tonga handamina ny solontena vitsivitsy avy ao amin'ny Federasiona niteny hoe efa raikitra ilay izy fa ataovy aloha ny baolina dia hatezerana no nasetrin'ireo mpilalao andeha hatao hoe vitsivitsy. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe nisy fiatraikany teny ambony kianja ve izay fifandisoana kely izay ? Raha mijery lavitra dia eny ny valiny ary ireo baolina roa matin'ny Rwanda ireo no porofo. Ny baolina voalohany mantsy dia hadisoana teo amin'ny filahatry ny vodilaharana no nahafan'i Gilbert niporitsaka ka izy sy Teva Gardies sisa ka na Thibaut Courtois na Ter Stegen aza ve iny tsy ho faty. Ny baolina faharoa indray dia tsy nisy naka mihintsy i Bizimana fa dia nanara-po tsy misy mpanelingelina.Mbola hadisoana fanindroany indray iny noho ny tandrevaka tao ampovoan'ny kianja.Dia iny ny vokany resin'ny Rwanda ny Barea.Fa na izany aza efa mafy koa ireo matoa nandresy ny Bafana Bafana izay tonga hatrany amin'ny manasa-dalanan'ny CAN tany Cameroun farany teo.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Resy nanaoloana an’i Bayern Munich tamin’ny famaranan’ny «Ligue des champions »

Card image cap
02-juin-2025

Vory lanona teny amin’ny EKAR Analamahitsy ny 31 may teo ny fianakaviamben'ny

Card image cap
30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap