airtel

Sport

04-mars-2021

Sport

Barea≠Niger Hatao any Barikadimy ny lalao

Sample post image

Ofisialy, fa ny kianjan’i Barikadimy no handray ny lalaon’ny Barean’i

04-mars-2021

 

 

Madagasikara sy ny ekipam-pirenena Mena an’i Niger amin’ny 30 martsa ho avy izao, araka ny tetiandro ofisialy navoakan’ny CAF. Andro faha-6 farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona hiakarana amin’ny CAN 2022 io, ary herinandro aorian’ny lalao hifanandrinantsika amin’i Ethiopie any an-taniny ao amin’ny kianja stade Bahir Dar izay mahazaka olona 90 000. Teratany Gabonais no hitsara ny lalao, ary amin’ny 4 ora hariva, ora aty Madagasikara no hanomboka ny lalao. Ho an’ny Vondrona K izay misy an’i Côte d’Ivoire, Madagascar, Niger, Ethiopie dia manana isa 7 mitovy isika sy ny Ivorianina. Manana isa 6 i Ethiopie, ary isa 3 i Niger. Laharana faharoa vonjimaika isika amin’izao, ary mbola mafy ny ady satria mbola manana herijika ho tafiakatra na ho raraka avokoa na I Madagasikara na Côte d’Ivoire, na i Ethiopie. Tsar any mampahatsiahy, fa resintsika 1-0 teny Mahamasina i Ethiopie, ary resintsika 6-2 tany an-taniny i Niger. Raha tsy misy ny fiovana, dia hivoaka anio lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny Barea amin’ireo lalao roa, izay mety hisy fiovana lehibe ny firafitra noho ny faharatrana sy tsy fahafahan’ny mpilalao sasany.

Toky R

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Tandindonin-doza ny baolina kitra malagasy. Ambeti-tenin'i Tatseraky Marcellin izany raha tafaresaka taminay izy.

Card image cap
15-avril-2024

Niovaka ny didy tsy azo hivalozana fa tsy mahazo handraisana lalao intsony ny Kianja Barea.

Card image cap
15-avril-2024

Tsy niova ny filaharana taorianan'ny andro fahafito ny Pure Play Football League.

Card image cap