airtel

Sport

08-oct-2021

Sport

BAREA resy lava Tsy misy afa-miala fa samy diso

Sample post image

Resy indray ny Barean’i Madagasikara! Lalao telo no vita, faharesena telo no azo tamin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny Mondial 2022 hatao any Qatar.

08-oct-2021

Naman’ny tapitra hatreo ny nofinofy, fa mamita lalao sisa. Lavo 2-0 indray ny ekipam-pirenena omaly tamin’ny lalao, andro fahatelo izay nifanandrinana tamin’ny RD Congo, ka baolina nifanjevoana tao anatin’ny faritra tsy azo hivalozana, ary voadakan’i Chadrack Akolo Ababa (35’), rehefa nifanjevoana tao anatin’ny faritra tsy azo hivalozana ny baolina. Tamin’ny alalan’ny Penalty nodakan’ny kapiteny Mbokani tany amin’ny minitra faha-78 kosa ny baolina faharoa. Niharihary ny halatra sy fitongilanan’ny mpitsara ny lalao tany amin’ny mpampiantrano satria azo niadian-kevitra, ary mody nianjera ny mpilalao Congolais saingy notsofina ho penalty avy hatrany, ary nomena karatra mavo i Marco Ilaimaharitra. Tsy io ihany fa tamin’ny ankapobeny mihitsy no tsikaritra ho notsiandriana natao izay haharesy antsika. Hita ny fahabangan’ny Filohan’ny CAF teo aloha Ahmad Ahmad, tsy ananan’ny olona henamaso sy tsindriana ny Malagasy. Tamin’ny teknika, hita ihany ny tsy fahampiana tamin’ny vody laharana, hany ka I Rayan izay tokony ho mpandrindra sady mpiaro ao afovoan-kianja aza napetraka ho vodilaharana ankavia. Niezaka nanafika fa tsy nahavaky atody ny Barea. Nanova zavatra ny fampidirana an-dry Arnaud, Fabrice, ary I Hery Bastien tany amin’ny minitra faha-60, ary mbola nampiana an’I Lalaina taoriana kely, afaka nanao fanafihana tohatohafo, saingy nampihena ny herijika ny penalty nomena ny mpifanandrina. Efa adihevitra hatramin’izay kosa ny momba an’I Melvin Adrien, izay nidiram-baolina 6 tao anatin’ny lalao telo. Mitana ny laharana voalohany ao amin’ny Vondrona J hatreto I Bénin izay nandresy an’I Tanzanie 1-0 omaly ka manana isa 7, faharoa I RD Congo manana isa 5, fahatelo i Tanzanie manana isa 4, ary farany isika manana isa 0.
SAMY DISO, TSY MISY AFAKA MIALA BALA
Diso efa hatrany amin’ny 2019 isika, natao ohatran’ny Andriamanitra kely ny Barea. Ny “niveau” na ny fari-pahaizantsika antsika anefa efa fantatra tsara, na ekena aza fa nisy ny ezaka na koa fahagagana. Diso ny manam-pahefana raha nanao lava tànana samihafa tany mba hahazoana fandresena, diso ny mpilalao izay nihevi-tena fa efa tena vedety ka lasa miova hatrany amin’ny fitondran-tena,… Ny olona efa mandalina na manao “etude” ny ekipantsika isan’andro. Diso ny FMF tsy an-kanavaka, olon-dehibe tsy mahay mifandamina, ary tany amin’ny fifidianana filohan'ny FMF dia efa be ny resaka ka na iza na iza lany teo dia nitovy ihany ny gidragidra sy ny fifandirana. Ahiana aza ny sazy ho an’i Madagasikara ato ho ato. Mety misy mibitaka amin’ireny faharesena ireny mihitsy ary efa mifampiandry an-kendritohana, toy ny hoe tsy nahomby ny mpanazatra notendren-dRanona! Na Rabesandratana na Dupuis no eo, tsy any intsony ny adihevitra fa ny fahasimbana amin’ny lafiny maro. Diso isika amin’ny fampidirina be loatra ny Fanjakana sy ny politika ao amin’ny kitra, ka lasa tafiditra any amin’ny fitadiavana laza sy voninahitra mba tsy hilazana fa propagandy mihitsy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap