airtel

Sport

12-juil-2021

Sport

Barea sy ny Qatar 2022 Miandrandra endrika vaovao ny mpankafy

Sample post image

Nirina Ebobisse, 24 taona, 1,83m, 79kg , lohalaharana afovoany ao amin’ny Portland Timbers, divizionina voalohany ao Etazonia,

12-juil-2021

izany hoe isan’ny miatrika ny fifaninanam-pirenena MLS miaraka amin-dry Romain Metanire sy Rayan Raveloson. Eo koa i Scotty Sadzoute, 23 taona, 1,72m, 56kg, elatra havanana ao amin’ny OH Leuven, divizionina voalohany ao Belzika. Eo koa I Boto Kenji-Van, 25 taona, 1,83m, 71kg, elatra havanana ao amin’ny FC Pau, divizionina faharoa frantsay. Malaza koa moa I Francis Coquelin, 30 taona, 1,78m, 74kg, irakiraka afovoany mpiaro ao amin’ny Villareal CF, divizionina voalohany ao Espanina. Farany moa dia ny zandrikely ao amin’ny OGC Nice, divizionina voalohany frantsay, Andy Pelmard, 21 taona, 1,80m, 69kg. 5 mirahalahy isan’ny maro mpivoy ireo tato ho ato ary heverina fa endrika vaovao andrandrain’ireo mpankafy ny baolina kitra Malagasy, indrindra ny ekipam-pirenena Malagasy, mba ho isan’ireo ho voaantso hanatevin-daharana ny Barea ny volana septambra izao ao anatin’ny fiatrehana ny fiadiana ny tapakila hakanesana any amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra dia ny Qatar 2022 izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap
19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap