airtel

Sport

27-mars-2024

Sport

Barea Tena mbola lavitry ny afo ny kitay

Sample post image

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

27-mars-2024

Tena tsy mahay ve ny mpanazatra Roro Rakotondrabe sa ireo mpilalao no tena tsy tao Izay no fanontaniana ary ny valiny tsotra ny valala misy ary ny mpilaza koa mahay. Na tsy mahay aza dia mahita fa diso safidy ny mpanazatra. Tsy nahita ilay 11 tena tsara izy hany ka nandramany daholo izao rehetra izao. Ny zava-misy tsy azo lavina aloha dia mety ireo mpiandry tsatokazo roa ireo no izy dia i Sonny Laiton sy Teva Gardies. Tena tompon-toerana eo amin'ny vodilaharana havia i Kenji Van Boto. Ary izy irery ihany aloha no vodilaharana tsy dia nanao adisoana sady mba niakatra nabampy tany aloha. Matoa i Tantely naverina taty havanana nefa eo afovoany no misy azy ao amin'ny Disciples dia tena tsy misy afatsy izy izany no mahafehy iny ilany iny.
Fa na izany aza dia tokony i Lilian Raolisoa no ho eo. Torak'izany koa ny vodilaharana ampovoany dia tokony i Fontaine sy Andy Pelmard satria na i Demoléon na i Berajo na i Andry Kely dia mbola tena lavitra raha hieritreritra hanao Mondial izany. Ny eo afovoan'ny kianja indray aloha dia i Rayan Raveloson no tompon-toerana tsy misy dinika. Saingy tsaratsara kokoa izy mitazona ny laharana fahafolo mitondra ny fanafihany Tsy maintsy mafy nefa amin'izay ireo sakana voalohany ary miantefa any amin'i Francis Coquelin sy Marco Ilaimahatitra ny safidy. Ny any aloha no mila mitady laharana faha 9 tena mamono baolina. Miampy an'i Loïc Lapoussin sy Arnaud tena amin'ny sisiny no misy azy. Raha ilaina dia mbola mety atao joker koa i Tendry sy El Hadari indrindra raha tsy mety hanao ry Rutter sy Ebobisse ary Seyha Saha. Tsy miankina amin'ny FMF irery anefa izany fa eo koa ny fanjakana izay toa manao tsobo-deanon-dRamiangaly tsy hita hoe ahoana. Anatra koa iny fahapotehan'ny bozaka iny nefa anie Antsinjombe ka nandaniana vola be hanaovana fety. Izao raha mitombona ny vaovao hoe nolavin'ny FIFA ny fankatoavana ny kianja Mahamasina dia izay vao tena hitan'ny havany eo. Marina moa !

Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap