airtel

Sport

04-nov-2026

Barea U15

Tafaverina an-tanindrazana,

Sample post image

olavolaina tsy ho very momoka ny vita…

04-nov-2026

Tafaverina an-tanindrazana omaly ireo tanora mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Barea U15, taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho an’ny sokajy latsaky ny 15 taona, izay notanterahina tany Baku, renivohitr’i Azerbaïdjan. Laharana faha-37 tamin’ireo firenena miisa 189 nifaninana no nisy an’i Madagasikara tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Vokatra goavana azon’ny Barea U15 izany, izay tena goavana ary zava-dehibe raha raisina amin’ny maha fandraisana anjara voalohany ho azy ireo teo amin’ny sehatra maneran-tany. Tsiahivina fa tamin’ireo lalao 10 dia faharesena roa ihany, ka isan’ny nangidy ny nandavoan’i Sénégal antsika teo amin’ny ¼-dalana, saingy afaka nanarina nahazo fandresena roa tamin’ny fiadian-toerana. Milahatra amin’ireo Firenena goavana amin’ny baolina kitra isika satria Sénégal (faha-36), (Argentine (35), Portugal (34) no eo alohantsika, raha ry zareo Espaniola kosa no voalohany. Mbola any aoriantsika i Côte d’Ivoire (41), Afrika Atsimo (44), Mali (45), eny fa na i Lafrantsa aza dia any amin’ny faha-70. Nandritra ny fandraisana azy ireo, notolorana « certificat » ireo mpilalao, ary nanambara ny FMF tarihin’iAlfred Randriamanampisoa, fa tsy hijanona hatreo ny ezaka ho an’ity sokajy tanora ity. Hotohizana, hoy izy, ny fanofanana sy ny fanomanana ireo mpilalao, mba hahafahan’izy ireo mameno ny toeran’ireo ekipam-pirenena zokiny any aoriana. Anisan’ny tanjona ny hananganana mpandimby matanjaka, na « relève », izay afaka manohy ny lalan’ireo Barea sy mitondra ny baolina kitra malagasy hisongadina hatrany eo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique