airtel

Sport

08-juin-2023

Sport

Barea U23 Mandray anjara amin'ny fifaninanana any Mantes la Ville

Sample post image

Ny hananan'i Madagadikara mpandimby tena havanana ireo Barea no mbola himatimatesan'ny UFICASM miaraka amin'ny fikambanana Madas.

08-juin-2023

Izay no nanosika ireo mpitondra handray anjara amin'ny fifaninanana iraisan'ny firenena efatra anjara izay hatao ny 17 sy 18 jona izao ao amin'ny kianja Aimé Bergeal any Mantes la Ville. Hihaona voalohany amin'ny ny Barea ny 17 jona amin'ny 6 ora hariva ny La Réunion. Ny lalao iray hafa kosa no ahitany ny Comores hifandona amin'ny Paris Atlético amin'ny 1 ora Fomba iray entina hitarafana izay heverina handrafitra ny Barea A ity ataon'ny UFICASM sy Madas ity. Ary mbola ny mpanazatra Boualem Mansour no eo miampy an'i Momo izay mpanazatra faharoa ary Alain Maximim Ramaroson no miandraikitra ny psykolojia sy ny ara-moraly miova tsy toy ireny ekipa matihanina ireny. Mbola ao anatiny ihany my mpanazatra Hery Be izay hiara-hianga amin'ny mpilalao toto-tanana hamonjy ny fampivondronana izay hanomboka ny 13 jona. Mbola sarotra anefa ny fandidiana satria mbola tsy ampy ny eo ampelatanana ka izay indrindra no mahatonga an'i Charlot Andriamady ilay mpiandry tsatokazo an'ny AS St Michel fahiny sy tao amin'ny ekipam-pirenena. Manao antso avo amin'ireo malala-tanany sy tia ny baolina kitra ity kibtana fahiny ity. Hatreto aloha dia efa mivomona ireo mpilalao nantsoina toy ireo roalahy avy amin'ny Disciples FC ahitana an'i Rayan Rajaonarivelo sy Andy Rakotondrajoa.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

26-sept-2023

Raikitra ! Na tsy misy federasiona intsony aza na hoe misy fa sahirana amin'ny fifidianana izay ho mpikambana

Card image cap
26-sept-2023

Nidina ifotony ary nanampy ireo solontenan’ny klioba amin’ny taranja rugby izay natao tao amin’ny Kianja Malacam

Card image cap
26-sept-2023

Notanterahina ny alahady 24 septambra teo ny hazakazaka ho an'ny fandriampahalemana na

Card image cap
25-sept-2023

Ho ambohipihaonan'ireo mpilalao kanetibe ny eny amin'ny kianjanlny PAC etsy Ampitatafika ny 4 sy 5 oktobra ho avy izao.

Card image cap
25-sept-2023

Rehefa mitavozavoza manao zavatra dia lasan'ny olona ilay noheverina hitondra ny Barea A.

Card image cap