airtel

Sport

17-févr-2026

Barean'i Madagasikara

Mbola tsy misy tokontaniny izay ho mpanazatra

Sample post image

5 herinandro isika izao tsy hisokafan'ny

17-févr-2026

varavarankely na "fenêtre FIFA", izay fotoana natao iomananan'ireo ekipam-pirenena amin'ireo lalao iraisampirenena goavana hoavy toy ny amboara erantany sy amboaran'i Afrika. Manoloana izany rehetra izany dia mbola tsy misy tokontaniny hatramin'izao koa anefa izay ho mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra na Barean'i Madagasikara. Ny mpanazatra farany moa iny efa nampiseho fa tsy liana intsony amin'ny eto iny rehefa voalaza fa tsy nanaiky ny fanenana ny karamany ho 10.000 Euro, raha toa ka 18.000 Euro izany teo aloha. Ho raisina malagasy an-tanana indray ve izany ny Barea? Mety efa afaka hitondra ny ekipam-pirenena amina lentan-dalao avo kokoa noho izay vitan'i Corentin Martins izay ve i Romuald Rakotondrabe, rehefa avy nanaraka fiofanana samihafa tao Eoropa tao, indrindra fa tao Frantsa, farany teo? Ho averina aminy ihany koa ve izany izay fitantanana ny ekipam-pirenena izay sa iza no tekinisianina vahiny mety hanaiky io karama 10.000 Euro na latsak'izany io?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique