airtel

Sport

04-mars-2024

Barean’i Madagasikara

Botswana, Rwanda, Burundi no hanomanan-tena

Sample post image

Ao anatin’ny fanohizana ny fanomanana ny fiatrehana ny tohin’ny fifanintsanana

04-mars-2024

hankanesana any amin’ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra dia fantatra ankehitriny ireo ekipam-pirenena hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny Barean’i Madagasikara. Botswana, Rwanda, Burundi no hanomanan-tena, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo, raha tsy misy indray izany ny fanovana amin’ny ora farany. Eto Antananarivo avokoa no hanatontosana ireo lalao, raha ny fandaharam-potoana aloha. Tokony ho amin’ity volana martsa ity, raha ny efa voalaza hatrany am-boalohany moa no hisantarana izay fanomanan-tena izay. Tsiahivina hatrany fa amin’ny volana jona indray isika no hiatrika ny tohin’izay fifanintsanana ahazoana ny tapakila ho any amin’ny tompondaka eran-tany izay. Mihazakazaka ny fotoana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap