Isa 0 noho 1 tamin’ny alalan’ny baolina tokana matin’i Tsilavina na Drogba teo amin’ny minitra faha 17 no nahazoantsika fandresena tao an-jaridainan-drizareo Zebran’i Botswana. Azo lazaina ho voafehin’ny malagasy ny lalao nandritr’iny 90 minitra tamin’ny lalao mandroso iny aloha ary nahomby ny paikadin’ny mpanazatra Roro na Romuald Rakotondrabe. Mbola mila ny fanotronana sy fanohanantsika rehetra kosa anefa ny 90 minitra farany amin’ny lalao miverina etsy Mahamasina ny zoma izao na dia sahala aza dia efa ampy hanoratantsika tantara. Alefa Barea!
J. Mirija
(Sary: BFM)
Tontosa omaly ny antsapaka mikasika ny fizaram-bondrona amin’ny Fiadiana ny CHAN 2024.