airtel

Sport

01-sept-2021

Sport

Barean’i Madagasikara Feno ny mpilalao, vonona tsara ny ekipa

Sample post image

Feno ny mpilalao Malagasy hiatrika ny lalao goavana rahampitso. Efa eto an-tanindrazana avokoa ny 28 tamin’ireo mpilalao 30 nantsoin’ny mpanazatra Eric Rabesandratana,

01-sept-2021

 raha toa ka efa notaterina teto kosa ny tsy fahafahan’I Jeremy Morel sy Marco Ilaimaharitra noho ny ratra. Nigadona an-tanindrazana omaly ireo mpilalao avy any Etazonia dia I Romain Metanire sy Rayan Raveloson niampy an-dry Carolus avy any avy any Arabie Saoudite, nifamotoana tatsy La Réunion niaraka tamin’ireo namany nahitana an-dry Bapasy, Mamy Gervais, Fabrice, Dax. Na eo aza ny olana sy disadisa samihafa teo amin’ny mpitondra sy ny mpitantana, dia miray fo tanteraka kosa ny mpilalao ary hita fa tena vonona tsara . Omaly hariva, nanao fanazaran-tena alina na “entrainement nocturne” teny amin’ny Kianjan’i Mahamasina ny mpilalao Malagasy satria amin'ny alina no hanatanterahana ny lalao ihaonana amin'i Bénin. Mampitombo ny herijika sy ny moralin’ny mpilalao ny ahafahana mampiditra mpijery miisa 10 000 hanohana ny ekipam-pirenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap