airtel

Sport

22-mars-2021

Sport

Barean’i Madagasikara Hampitombo ny herijika ny fiovan-javatra tsara

Sample post image

Betsaka ny zavatra niova tamin’ny ora farany momba ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara,

22-mars-2021

 

 

izay hiatrika ny lalao lehibe hifanandrinana amin’i Ethiopie ny alarobia 24 martsa ho avy izao. Afaka hiatrika ny lalao any Ethiopia ho tanterahina ny 24 martsa ihany i Lalaina Nomenjanahary (Bolida) sy Mathyas Randriamamy, raha toa ka tsy ho afaka noho ny ratra i Jeremy Morel, ny fanambarana nataon'ny ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena, niaraka tamin'ny mpanazatra ny Barea. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny federasiona mpiahy tamin'ny federasiona frantsay ny baolina kitra sy ny FIFA. Dimy tamin’ireo mpilalao voaantso no tsy afaka, dia i Thomas Fontaine izay mbola maratra, i Rayan Raveloson sy Marco Ilaimaharitra izay mbola tratry ny coronavirus, ary i Abel Anicet Andrianantenaina tsy navelan'ny kliobany, miampy an’I Jeremy Morel. Maro ireo mpilalao nampisalasala ny mety tsy ho fahafahany, saingy ny 80% eo, dia saika afaka avokoa. Efa niala tao Frantsa omaly kosa ry Melvin, Ibrahim Dabo, Mathyas, Alexandre Ramalingom, Jérôme Mombris, Enzo Bovis, Zotsara, Voavy Paulin, Lapoussain, Bapasy, Mamy Gervais, Dimitri caloin. Efa tonga ihany koa ry Faneva Ima sy Romain Metanire sy ireo delegasionina nandeha aloha. Nanainga omaly hihazo an’i Ethiopie ihany koa i Carolus. Niala omaly alina kosa ireo delegasionina avy eto Magasikara ahitana ireo mpilalao toa an-dry Tsito, Naina, Nina, Lôlôdy, Berajo, Dôdy,… Ny alarobia amin’ny 4ora hariva aty amintsika no hanaovana ny lalao. Betsaka ny fanantenana ho an’ny Barean’I Madagasikara, ary mampitombo ny herijika ny fahafahan’ny ankamaroan’ireo mpilalao. Misy ihany koa ireo izay maratra, kanefa nantsoina mba hankahery ireo namany.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap