airtel

Sport

06-oct-2021

Sport

Barean’i Madagasikara Lasibatry ny petatoko indray

Sample post image

Tsy afa-niainga teto Madagasikara ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata tamin’ny 12ora sy sasany tany ho any, araka ny fandaharam-potoana nampahafantarina ny Barean’I Madagasikara,

06-oct-2021

 izay hiatrika ny lalao ho an’ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny « Mondial 2022 ». Tavela tao Ivato ireo mpilalao avy eto Madagasikara sy avy atsy amin’ny Nosy La Réunion nahitana an-dry Théodin, Njiva, Tsito, Fabrice, Gladyson, Arnaud,… ka mba tsy hahavery ny fotoana dia niditra toeram-pikotranana teo ambany fanaraha-mason’ny mpanazatra mpanampy Fabiano Flora ireo mpilalao. Omaly takariva tamin’ny 6ora mahery tany ho any no nanainga, raha ny fampitam-baovao nivoaka tao amin’ny Pejin’ny Federasionina. Ankoatra ireo mpilalao, dia maro ireo delegasionina notarihin’ny Minisitry ny fanatanjahantena Mamod’Ali Hawel sy ny avy ao amin’ny Federasionina. Anio moa no voalaza fa handeha ny famondronana raha toa ka rahampitso ny lalao. Izany hoe: zara raha nisy fotoana niomanana toy ny mahazatra ny Barea. Ankoatra io, niparitaka ihany koa ny sarin’ireo Barea milalao any Eoropa sy Maghreb izay matory amin’ny seranam-piaramanidina, toa tratry ny fampijaliana mpiseho aty Afrika. Betsaka hatrany ny tsy fahatomombanana, toy ny efa niseho tamin’ireo lalao roa teo aloha. Isan’ny lesoka hatrany ny tsy fahampian’ny fotoana fanomanana. Aiza ho aiza ilay vava be sy fandokafan-tena nataon’ny Filoha Rajoelina ny 30 septambra nilazany fa nentiny tamin’ny “classe affaire” ny Barea ? Izao sady tara fiaramanidina, matory amin’ny tany amin’ny seranam-piaramanidina,… Irariana mba vao mainka hampiakatra ny hambom-pon’ny mpilalaontsika ireny toe-javatra ireny, fa raha ny zava-misy aloha dia mahakely finoana no ahazoana vokatra. Mirary fandresena hatrany ho ekipam-pirenena anefa isika na eo aza ny petatoko amin’ny endriny maro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap