airtel

Sport

23-janv-2026

Barean’i Madagasikara

Mafonjafonja ny praograma

Sample post image

miandry, ny ho mpanazatra baraingo

23-janv-2026

Nahoraka omaly fa nolavin’ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara farany teo, Corentin Martins, ny fikasàn’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF hanena sasaka ny karaman’ity farany mba hahafahana manohy ny fifanaraham-piaraha-miasa aminy. Mazava ho azy fa tsy nanaiky izany ity tekinisianina franco-português ity, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Manoloana izany dia nahoraka omaly ihany koa fa ny tekinisianina malagasy, Romuald Rakotondrabe, izay efa mpanazatra teo aloha ihany, sy ilay tekinisianina português, Fabiano Flora, no mety ho aroson’ny FMF eo amin’izay fandimbiasana ny fitantanana ny Barea zokiny na Barea A izay. Andrasana moa, araka izany, anefa, izay tena ho marimaritra iraisana mikasika ity toe-draharaha eo anivon’ny fitantanana ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra ity fa raha ny tokony ho izy aloha izany dia azo lazaina ho efa misy fandaharam-potoana samihafa mafonjafonja ihany miandry ny ekipam-pirenena ato ho ato. Eo anelanelan’ny 23 hatramin’ny 31 martsa izao, ohatra, tokony hisy lalao ara-pirahalahiana. Ny 1 hatramin’ny 9 jona ihany torak’izany. Ny 21 septambra hatramin’ny 6 oktobra no andeha ny andro voalohany hatramin’ny faha 4 amin’ny fifanintsanan’ny amboaran’i Afrika na Q.CAN 2027. Ny 9 hatramin’ny 17 novambra ny andro faha 5 sy faha 6. Tombanana ho afaka mahazo lalao ara-pirahalahiana miisa 4 eo izany ny ekipam-pirenena malagasy amin’io volana martsa sy jona, izay varavarankelin’ny Federasionina iraisampirenen’ny baolina kitra na FIFA io, raha ny angom-baovao samihafa voaray hatreto hatrany aloha. Mafonjafonja ny praograma miandry, araka izany, saingy ny ho mpanazatra kosa hatreto dia mbola baraingo.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Misy komity milaza hikarakara fifidianana

Card image cap