airtel

Sport

03-mai-2021

Sport

Barean’i Madagasikara Naato i Nicolas Dupuis

Sample post image

Nivoaka ny zoma lasa teo ny taratasy ofisialy avy amin'ny Federasionina Malagasin'ny Baolina kitra (FMF),

03-mai-2021

 

 

 

nosoniavin'ny filohany Atoa Arizaka Rabekoto Raoul mampiato ny mpanazatra Nicolas Dupuis amin'ny asa maha mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasin'ny baolina kitra azy. Antony maromaro no voalaza fa nahatonga izao ny fandraisan'ity mpanazatra ity fanapahan-kevitra tsy mifanaraka amin'ny zava-misy ara-pahasalamana amin'izao fotoana, ny fahatrarana ny tanjona napetraka taminy. Eo ihany koa ny tsy fifantohana amin'ny tena andraikitra maha mpanazatra fa variana amin'ny fanaovana dokam-barotra; ny tsy fanajana ny fifanarahana arak'asa ka nanenjehana ny FMF tany anaty gazety sy tamin'ny alalan'ny tambajotra sosialy. Nanaiky ny fanapahan-kevitra i Nicolas Dupuis amin’ny maha mpiasa karamain’ny FMF azy. “Nanaiky aho mba tsy hisian’ny korontana ho an’ny mpilalao hiatrika ny fifanintsanan’ny “mondial 2022” afaka 5 herinandro, ary mirary soa ny Barea, hoy izy. Niala aho mba ho soa ho an’ny ekipam-pirenena, mankasitraka ny komity mpanatanteraka sy ireo mpiara-miombon’antoka”, hoy izy. Nilaza kosa I Dupuis fa fanapahan-kevitr’olon-tokana ny an’ny Filohan’ny FMF, ary efa in-droa izy no niandry sy naniry hihaona tamin’Atoa Arizaka Rabekoto Raoul, saingy tsy tanteraka, ary mbola vonona hiresaka sy hifanazava aminy amin’ny lalao fifanintsanana Mondial amin’ny volana jona. Lesoka goavana ny tsy nahatafakarana CAN, ary tao anatin’ny kihon-dàlana tsy nampoizina no nilatsaka ny didin’ny Filohan’ny FMF nanala ny mpanazatra, izay tsara fifandraisana amin’ny Fanjakana. Atoa Arizaka Rabekoto Raoul izay marihina fa karohin’ny Fanjakana, ary namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena noho ny raharaha CNaPS, saingy karazan’ny mandefa valin-kafatra an-kolaka amin’ny mpitondra hoe: mbola ity aho eto. Mitazona tanteraka ny fahefany amin’ny maha Filohan’ny FMF azy, ary ny 12 martsa teo dia niseho sy nifidy ny Filohan’ny CAF izy. Io rafitra io, izay eo ambany fiahian’ny FIFA, ary tsy azon’ny Fanjakana tsabahana velively ny fitantanana ny FMF, malemy ny mpitondra ao anatin’io. Hita taratra ny karazana lonilony. Taorian’ny nahalaniany ho Filohan’ny FMF, nandreseny kandidam-panjakana no toa nihamafy ny raharaha fanenjehana azy. Marary ary tafiditry ny lonilony sy toa endrika fifamaliana faty politika ny kitra Malagasy.

 Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap